Archives de la catégorie: Fampianarana

ireo fampianarana sy toriteny isan-karazany

27 JANOARY 2020 – 02 FEBROARY 2020

Sao dia mahita jiolahy manao asan-devoly ao amin’ny fiainanao Jesoa, ka tiany horoahina ao ? ( Lioka 19 : 45 ) Karazany 3 ny jiolahy tian’i Jesoa horoahina eto : Ny mpivarotra. Biby misy kilema no amidiny eto ; kanefa amidiny lafo be. Sao dia ianao koa, amin’ny fandraharana ataonao, no mivarotra zavatra misy kilema, misy défaut ? Ny mpanakalo…
Tohiny

20 JANOARY 2020 – 26 JANOARY 2020

NY OLONA KENAKENAINA DIA OLONA TSY AZO ANTENAINA Marka 4:37 Ny mpianatra izay novolavolain’i Jesoa dia tsy nokenakenainy mihitsy. Fa nosedrainy tamin’ny tafiodrivotra, nosedrainy tamin’ny alondrano. Manomboka izao ry havana ô, meteza ho sedrain’i Jesoa. Fa ny olona kenakenaina dia olona tsy azo antenaina. Amena ! Nalaina avy amin’ny toritenin’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi –…
Tohiny

13 JANOARY 2020 – 19 JANOARY 2020

« Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ». Lioka 13 :13 SAO DIA IANAO ILAY MANJOKO ARA-PANAHY ? Nanjoko tsy afa-nitraka ity vehivavy tantaraina eto ity nandritra ny 18 taona. Ka ny zavatra hitany nandritra ny 18 taona dia ny tany, ny loton’ny tany.…
Tohiny

FIAINANA MANJOKO ARA-PANAHY

« Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ». Lioka 13 :13 Ry havana, hitantsika ny tantaran’io vehivavy io : nanjoko izy, tsy afaka nitraka ; dia inona ny zavatra hitany nandritra ny 18 taona ? Ny tany, ny loton’ny tany. Misy olona ry havana tsy manjoko ara-batana, fa manjoko ara-panahy.…
Tohiny