Asa sy Tantara STK Zokiny

I. Ireo mpitarika nifandimby ny STK zokiny
Ny filoha sady mpanorina ny STK zokiny, 50 taona lasa izay, dia andriamatoa Rakotoarisoa Charles, nitarika ny taona 1965 ka hatramin’ny 2000, taona nahafatesany.
Nandimby azy ramatoa Rasamoelina Ravaomalala Marie, nitondra ny taona 2000 ka hatramin’ny taona 2005, izay nahalasa azy diakona sy tao amin’ny biraom-piangonana.
Nanolo azy andriamatoa Ranaivorisoa Edmond teo amin’io toeran’ny filohan’ny STK zokiny io ny taona 2005 ka hatramin’ny taona 2011, izay nahafatesany, raha nanao fisintonana lehibe tany Foulpointe ny STK zokiny (volana aogositra)
Nandimby azy andriamatoa Dakadisy Jean Kenny, nitondra ny taona 2011 ka hatramin’ny taona 2015, izay nahalasa azy tao amin’ny biraom-piangonana.
Ny filoha amperin’asa nanomboka ny taona 2015 dia ramatoa Ramialison Bebisoa, izay diakona ihany koa.

II. Ny Kristiana miditra ho mpikambana
Tsimialonjafy ny STK zokiny, ka afaka miditra ho mpikambana na ny lehibe na ny tanora. Torak’izany koa dia ahitana na ny lehilahy na ny vehivavy, ireto farany ireto dia manatombo, toy ny eo amin’ny mpivavaka eto amin’ny fitandremana amin’ny ankapobeny ihany.
Ny tsara homarihina dia ny ahitana ao amin’ny STK zokiny ny “fifankatiavana toy ny mpirahalahy sy mpiray tampo” misy eo amin’ireo kristiana mpikambana. Hita mazava ny “convivialité” sy ny firaisan-kina tsy misy fisalasalana amin’ny maha samy kristiana iray ihany eo amin’ny Tompo. Koa maro ireo asan’ny Tompo efa notontosain’ny STK zokiny hatramin’ny niorenany

III. Ny asa notontosain’ny STK zokiny
Isaorana ny Tompo, atolotra ho Azy irery ihany ny voninahitra, noho ny asa nimasoana nandritra ny 50 taona.
1. Fitoriana ny Filazantsara sy toriteny ho an’ny mpikambana, mandritra ny fivoriambe isaky ny alahady maraina faran’ny volana alohan’ny fanompoam-pivavahana. Izany dia novana ho asabotsy maraina amin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora, efa roa taona izao mba hahazoana mivalampatra kokoa ara-potoana. Ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra amin’izany dia hiantsoana mpitandrina, na ny amperin’asa, na ny mizaha-draharaha, na mpitandrina avy any ivelany.
Ny fivoriana isan-telo volana, any an-tranon’ny mpikambana mifandimby, sy ny fisintonana “kely” (3 andro, volana mey) sy ny fisintonana “lehibe” (herinandro, voalana aogositra) samy any ivelan’Antananarivo koa dia natokana ho fitaizana ny fiainam-panahin’ny mpikambana.
2. Fampianarana ny mpikambana hivavaka
Ny fivoriana isan-telo volana sy ireo fisintonana indroa isan-taona ireo koa dia fotoana ahafahan’ny mpikambana mandray anjara amin’ny rojom-bavaka samihafa hiarahana, momba ny antony maro (fangatahana fahasitranana, fitahiana ho an’ny Malagasy mahantra na traboina, ho an’ny firenena izay lasaka an-katerena…)
3. Famanginana fiangonana sy fiaraha-mivavaka, ohatra amin’ny samy eto amin’ny SPAA10 toy ny Antsonjomanga, Ambohitrandriamanitra, Ambohitsimeloka. izany dia hahavitan’ny STK zokiny tafika masina.
4. Fandraisana anjara amin’ny fanorenana fiangonana miaraka amin’ny fitandremana: Amboasary atsimo, Antsikida, Vohitrambo, Fiafanamanga, Kelilalina.
5. Fanoratana sy ny fanontana ny gazety Isotry Fitiavana (1965-1992), izay mbola ronéo sy taratasy fanamaroana (duplicateur) no nanontana azy. Ny lahatsoratra sy ny asa teknika tamin’izany dia noraisin’ny STK zokiny ho andraikiny tanteraka.
Taorian’izay dia nivoaka ny gazety Ilo , izay nohavaozina tamin’ny alalan’ny gazety ankehitriny, izay ny fiangonana no nanatontosa azy.
6. Ny asa sosialy iantsorohan’ny STK zokiny.
Ao ny fitsidihana sy ny fivimbinana vatsy ho an’ny be antitra taizany eny Ambohimahitsy, sy ny zazavavy monina eny Ambohidratrimo, ary ny zaza kamboty eny Tangaina.
Niaraha-nanatontosa amim-pirahalahiana daholo ny asa niaraha-notapahina sy nomanina, ka tsy misalasala izahay milaza fa nisy ny vokatra notazana teo amin’ny fiainam-panahin’ny mpikambana tsirairay. Araka ny filazan’ny natonona tamin’izy ireo dia ny STK zokiny no namolavola sy nanabe voa ny fiainam-pinoan’izy ireo ka mahatsiaro manana trosa amin’ny sampana izy ireo, dia mazoto sy miezaka mamadika bainga ao amin’ny STK zokiny, sy eo amin’ny andraikitra amin’ny maha diakona koa.
Eny, “tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo” (cf II Timoty18a) tokoa ny STK zokiny, ary mangataka Azy sy ny Fanahy Masina hitari-dalana sy hanome hery hiasa bebe kokoa hatrany, hampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ho voninahiny irery ihany.

stk_zokiny_2016

STK Zokiny 2016

Vaovaon'ny STK Zokiny