Bible en 2 ans

INONA NY ZAVATRA KENDRENA RAHA MAMAKY BAIBOLY MANONTOLO AO ANATIN’NY ROA TAONA ?

1 Korintiana 7 :32 : « Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an’ ny Tompo mba hahafaly ny Tompo ».
1 Tesaloniana 4 :1 : « Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa »
Raha fintinina dia, voalohany, mamaky ny Baiboly isika mba hahafaly ny Tompo. Amin’ny version Segond dia hoe : « pour plaire au Seigneur ».Izany no tokony ho tanjona fa tsy zavatra hafa, dia hahita fifaliana ary hanova ny fo, hanova ny fiainana ny famakiana Baiboly manontolo. Rehefa mamaky ny Baiboly ary ianao dia angataho ny Fanahy Masina mba hahatsapanao hoe taratasim-pitiavan’Andriamanitra io. Jeremia 31 :3 : « Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao ». Tia antsika Andriamanitra : ny Baiboly no hitorian’Andriamanitra amintsika izany fitiavany izany.

« La Bible n’est pas un livre de philosophie, ni un livre d’histoire. La Bible ne nous parle pas de Dieu, la Bible nous parle au nom de Dieu ».

Miteny amin’ny anaran’Andriamanitra ny Baiboly ka mitaky fanapahan-kevitra sy safidy. Ary ny olona mitady hoe aiza no ahitana ny fitiavan’Andriamanitra, ny olona vonona hitandrina ny teniny, izay no mahafaly an’Andriamanitra. Deoteronomia 30 :19 : « Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao »

« La Bible est un combat incessant entre Dieu qui appelle et l’homme qui résiste » Andriamanitra minia mitady ny olombelona, tsy mitsahatra mitady ny olombelona, dia nanomboka tamin’i Adama, niafina, nandositra; fa Andriamanitra be fahari-po ao anatin’ny Baiboly manontolo. Andriamanitra miantso antsika manao hoe : Ohabolana 23 :26a : « Anaka, atolory ahy ny fonao». Ny olona manolotra ny fony ho an'ny Tompo no mahafaly Azy.

Faharoa, manafatra Jakoba ho anao izay efa nanolo-tena : Jakoba 1 :22 : « Fa aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ». Fa raha mamaky fotsiny, raha faly fotsiny hoe voavaky ny vakiteny programa nefa tsy mahita zavatra hotandremana dia ny hiafarany hamita-tena ianao : Jakoba 1 :22 : « ka mamitaka ny tenanareo ». Ny Version Segond manao hoe ho voafitaky ny « faux raisonnements ». Faux raisonnements izany ireny homosexualité, théologie de la prospérité… ireny ; satria mamaky Baiboly ilay olona fa tsy mankato.  Ny résultat dia hoe ho maina ny fiainany ara-panahy, ho pôkaty ny fiainany ary dia vetivety izy dia hi-abandonne ary tsy ho tratra ny tanjona hoe hahafaly an’Andriamanitra.

Fehiny: Mamaky ny Baiboly isika mba hahafaly ny Tompo sy hitomboantsika amin'ny fankatoavana Azy