Mpanandratra Tehina

Isaky ny Alarobia ka ny atoandro, amin'ny 12ora30-01ora30 ary ny Alarobia hariva, amin'ny 6ora45-7ora45 ny fotoanan'ny Mpanandratra Tehina.

Ny atoandro dia ao amin'ny efitranon'ny Diakona no anatanterahana azy; ny hariva kosa dia ao am-piangonana.

Sehatra iray hitondrana am-bavaka ny Fiangonana fa indrindra indrindra koa ahafahana mandinin-tena amin'ny alalan'ny fandohalihina mivavaka io sehatra io.

Tahak'izao ny fizotry ny fotoana:

  • Fanombohana amin'ny alalan'ny Salamo - Hira - Vavaka
  • Famakiana Salamo fiderana ary fanaovana vavaka fiderana
  • Fihainoana ny hafatry ny Soratra Masina arahina fandinihan-tena mivavaka mandohalika isaky ny fahamarinana voalazan'ny Baiboly
  • Fitondrana am-bavaka ny fiainan'ny Fiangonana

Manasa anao hanatrika io fotoana io