FANTARO FA TENIN’NY FAHASOAVANA NY BAIBOLY

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina ». Asan’ny Apostoly 20 :32

Fantaro ry havana, fa ity Baiboly ity, ity Soratra Masina ity dia lazaina hoe « TENIN’NY FAHASOAVANY ».
Ity Asan’ny Apostoly 20 ity dia lazaina hoe testament spirituel-ny Apostoly Paoly. Hisaraka izy eo amin’ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy izay nitandremany, dia tonga ao amin’ny tanànà anankiray antsoina hoe Mileto ilay loholona tao Efesosy. Izany Mileto izany, 70 kilometatra avy ao Efesosy. Dia hoy Paoly hoe izaho tsy tonga any Efesosy, izaho ato Mileto, tongava ianareo aty fa manana hafatra aho ho anareo. Dia izay ity toko faha-20 ity, testament spirituel-ny Apostoly Paoly. Izaho handao hoy izy, fa hoe, izaho ankehitriny, and.32, « manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany ».

Maninona ry havana no antsoina hoe « tenin’ny fahasoavany » ny tenin’Andriamanitra ? Satria mirakitra fahasoavana, omban’ny fahasoavana, dia ilay fitiavan’Andriamanitra manova, mi-transformer. Izay ilay tenin’ny fahasoavana. Dia izay no azavain’ny Apostoly Paoly hoe, voalohany indrindra, mahay mampandroso. Amin’ny teny frantsay, ilay hoe « mahay mampandroso », « mahay mi-édifier ». Langage-ny construction izany hoe « édifier » izany, manorina an’ilay édifice spirituel-nareo. Ary ilay hoe « mahay mampandroso ny tenin’ny fahasoavana », « mampandroso vers la perfection spirituelle ny teniny ». Ny olona tsy misakafo, na tsy mihaino, na tsy mianatra teny dia hoe tsy mandroso Fa ny tenin’ny fahasoavana mahay mampandroso ho amin’ny fahatanterahana. Ary tahaka ny tao-trano, dia hoe ilay tenin’ny fahasoavana vakintsika sy ankatoavintsika isan’andro, ohatrany hoe manisy briky, briky, briky : tonga amin’ilay perfection. Fa rehefa hoe te hitombo ianao tsy misy an’ilay tenin’ny fahasoavana, dia tsy misy endrika ny tranonao, mety tsy miakatra ilay tranonao, na hoe : « oay, hafahafa ity trano ity, ohatrany tsy ampy briky eto an, ohatrany mivilana eto an ». Fa izay ilay ataon’ny tenin’ny fahasoavana aloa, hoe « mahay mampandroso ».

Ilay tenin’Andriamanitra io faharoa, mampitombo antsika amin’ny fahamasinana ry havana ô. Izay ny faharoa.

Ary ohatrany hoe couronnement an’izay zavatra rehetra izay, rehefa mampandroso antsika ho any amin’ny perfection izy, mampitombo antsika amin’ny fahamasinana izy, fahatelo, manome antsika ilay lova any amin’ny Kanana vaovao : manome antsika lova.

Ry havana ô, manomboka izao, rehefa hoe hamaky ny tenin’Andriamanitra ianao, dia fantaro mazava hoe : tenin’ny fahasoavana io te hitondra an’izany vokatra izany ; ary tsy mandainga io teny io fa mahatoky izany teny vavolombelona izany.
Amena