Evangélisation

Hafatra nampitain’ny filohan’ny FJKM Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina tao amin’ny fihaonamben’ny AFF tamin’ny Septambra 2016 tao amin’ny FJKM Fénérive Est, ho an’ny mpivory sy ho an’ny FJKM rehetra manao hoe : manomboka amin’ny volana Febroary 2017 dia manao tafika masina isam-bolana isika FJKM.

Io tafika masina io dia asainy tanterahina manaraka ny foto-kevitra hoe: “V.T. T” Vokatra azo tsapain-tanana- Tafika masina tanterahina avy hatrany- Tsy misaraka ny teny sy ny asa soa.

Nidinika izay fomba hanatanterahana io tafika masina io eto Isotry Fitiavana ny Mpitandrina Solofo Ramaholimihaso sy ny filohan’ny AFF Atoa Raharison Jean Aimé ka tapaka ary fa atao ny volana desambra 2016 sy janoary 2017 ny fiofanana ka ny volana novambra 2016 no natomboka ny antso sy ny fanentanana ny fiangonana.

Fampiasana ny boky mavo na IREO ZAVA-DEHIBE EFATRA MOMBA NY FIAINANA ARA-PANAHY no niofanana ny alahady voalohany (desambra) sy (janoary) aorian’ny fotoam-pivavahana voalohany. Marihina fa mbola tsy nivoaka ny trakitra Vontosy filazantsara tamin'izany fotoana izany.

Nomanina ny tetikady ka nozaraina faritra enina ny manodidina ny fiangonana izay sehatra niasana voalohany (Isoraka-Ampasandrainiharo-Isotry-Tsaralalana-Ampasamadinika-Ampatsakana). Nasiana mpandrindra roa isam-paritra handamina ny mpiantafika, izay ahitana olona telo isan-tarika ka nisy tarika 66 voatsinjara tamin’ireo faritra 6 ireo.

Tokantrano iray ihany no iasana (tsy miovaova tokantrano) ka ny asa atao dia : fitoriana amin’ny boky mavo sy fanohizana enina ka iray isam-bolana amin’ny loha-hevitra samy hafa, notohizana tamin’ny fampaherezana sy fitondrana am-bavaka. Nifarana tamin’ny fiaraha-mivavaka tao am-piangonana ny 24 desambra 2017 ny taona voalohany amin’ny vontosy filazantsara teto Isotry Fitiavana.

Nanomboka tamin’ny 04 martsa 2018 indray ny taona faharoa amin’ny vontosy filazantsara eto Isotry Fitiavana ka ny fokontany Cité Ampefiloha no faritra iasana. Efa nisy sahady ny vokatra satria nisy olona nitoriana no efa tonga nivavaka ny 11 martsa 2018 ary koa nanapa-kevitra fa hianatra katekomena eto Isotry Fitiavana.