Asa sy Tantara SAFIF

Nanombaka ny taona 1987 dia nitodika tany amin’ny Fiangonana 42 tafo teo @ Synodamparitany Isotry Vangaina ny Sampana , nanao Tafika Masina mitety ny isan-tokantrano , ary manao Asa sy fampaherezana ny Alahady maraina ; misy fotoam-bavaka ny Sabotsy hariva . Vokatr’izany dia nisy Fiangonana efa nikatona mihitsy toy ny tao Besaiky , Valokianja , Mahatehilaza niverina nisokatra indray taty aoriana , ary ireo matimaty nihanatanjaka .
Nanomboka ny taona 1989 dia nitondra ny Ray aman-dreny Pasteur 3 mirahalahy ny Fifohazana Isotry Fitiavana , dia I Dada RANDRIAMIADANARIVO , ANDRIAMAHAZOSOA Jean , RAMANANJATOVO ,hanao fampiofanana ireo Pasteur rehetra tany an-toerana, tao @ F.J.K.M Mahitsy Famonjena ; ary nofaranana t@ firaisana latabatra niantohan’ny Sampana hatrany ny fotoana ; ary nanomboka ny taona 1992 dia nisy fanokanana mpiandry tao @ F.J.K.M Mahitsy Famonjena .7 ny mpiandry tao @ 42 tafo ka 3 t@ ireo mpitandrina .

Ny taona 1995 - 2000 , t@ fotoana nitandreman’i Pasteur RAKOTONDRAINIBE Richard , dia efa notendren’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana ho toeram-piomanana ho mpiandry ny teto Isotry Fitiavana , ary efa nisy fanokanana Mpiandry indray mandeha .

Ny taona 1996 dia namangy sy nihofana tany @ toby F.J.K.M Ampasipotsy Moramanga nandritra ny 3 andro ny SAFIF Isotry Fitiavana . Neny Marie Rose no Ray aman-drenin’ny toby tao t@ izany .

Ny taona 2003 , t@ fanapahan-kevitry ny biraom-piangonana notarihin’I Pasteur RAKOTOMALALA Nivomboahangy izay nitandrina teto t@ izany , ary neken’ny ambaratonga , no nanomboka nampidirina tao anatin’ny fanompoampivavahana Alahady maraina ny Asa sy Fampaherezana ho an’ny Fiangonana manontolo , ka isaky ny Alahady faharoa no hanatanterahana izany ; ny fotoam-pifohazana andavanandro dia ny Talata atoandro @12h30 sy ny Zoma hariva @ 5h30 , ary mbola mitohy ireo mandraka ankehitriny .
T@ io taona io ihany koa , izay nankalazàna ny faha-20 taonan-ny Sampana , no natsangana ny AMPIFITIA na “ Antoko MPIhira Fifohazana Isotry FiTIAvana ” , izay tsangambaton’izany taom-pankalazàna izany .
Telo ny filoha nifandimby nitondra ny Sampana :
1- RALAITSIROFO Roger,filoha sady nanorina ny Sampana ,
2- RAFARASOA Lala Sahondra ,
3- RABETOKOTANY Noroharimalala Bakoliniriana , filoha amperinasa .

Ny taona 2008 , nankalazàna ny faha-25 taona , napetraka ho tsangambaton’ny Sampana ny Pupitre Plexiglasse , sy ny tapis @ lalatsara @ rihana . Nisy koa ny “Herinandrom-pankalazàna ” , ny Talata 14 Novambra hatr@ Zoma 17 Novambra isan-kariva ; izay nisian’ny fampianarana sy famelabelaran-kevitra , ary ny Zoma dia nofaranana t@ asa sy fampaherezana .

Nanomboka ny taona 2011 , dia tsy ny Alahady faha-2 @ volana Novambra intsony no fankalazàna ny isan-kerintaonan’ny Sampana , fa ny Alahadin’ny SAFIF FJKM araka ny Alimanakan’ny SAFIF Foibe ka isaky ny Alahady faha-4 @ volana Oktobra no hanatanerahana izany mandrake ankehitriny .

Ny taona 2013 , nankalazàna ny faha-30 taonan’ny Sampana , nisy karazany 3 ny tsangambato :
1- Famonosana voamboana ny andohalambon’ny alitara eto Isotry Fitiavana ; fanatsarana ny varavarana 2 mankao @ trano fisainana ankavia sy ankavanan’ny Alitara ; fampakarana ny Amperagen n’ny jiron’ny Fiangonana ; ka ireo asa ireo dia niarahan’ny SAMPATI , SEKOLY ALAHADY , SAFIF ary ny AMPIFITIA nantsoina hoe Komity Jobily Miray na KJM , izay samy nankalaza jobily.
2- Fananganana Fiangonana vaovao any FIADANAMANGA , niarahana @ sampana rehetra ato @ fitandremana araka ny vinan’ny Synodamparitany SPAA -10 .
3- Trano famantanana ho an’Isotry Fitiavana any @ Toby IBORA Manafaka Antsohihy .
Raha tsy nihoatra ny 30 ny mpikambana tany am-piandohana ary 8 ny mpiandry ; ankehitriny dia 245 ny mpikambana ka ny 74 mpiandry , 6 mpiomana

Ampifitia_2016

Vaovaon'ny SAFIF