« Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra ». Lioka 19 : 45 Ilay fanontaniana ry havana dia izao : raha mandinika ny fiainanao Jesoa, sao dia mahita jiolahy tiany horoahina Izy ? Sao dia misy jiolahy ao amin’ny tempolin’ny fiainanao tian’i Jesoa horoahina ? Ilay matoanteny hoe « Mandroaka » eto dia ilay matoanteny fampiasan’i Jesoa rehefa mandroaka devoly…
Tohiny
27 JANOARY 2020 – 02 FEBROARY 2020
Sao dia mahita jiolahy manao asan-devoly ao amin’ny fiainanao Jesoa, ka tiany horoahina ao ? ( Lioka 19 : 45 ) Karazany 3 ny jiolahy tian’i Jesoa horoahina eto : Ny mpivarotra. Biby misy kilema no amidiny eto ; kanefa amidiny lafo be. Sao dia ianao koa, amin’ny fandraharana ataonao, no mivarotra zavatra misy kilema, misy défaut ? Ny mpanakalo…
Tohiny
20 JANOARY 2020 – 26 JANOARY 2020
NY OLONA KENAKENAINA DIA OLONA TSY AZO ANTENAINA Marka 4:37 Ny mpianatra izay novolavolain’i Jesoa dia tsy nokenakenainy mihitsy. Fa nosedrainy tamin’ny tafiodrivotra, nosedrainy tamin’ny alondrano. Manomboka izao ry havana ô, meteza ho sedrain’i Jesoa. Fa ny olona kenakenaina dia olona tsy azo antenaina. Amena ! Nalaina avy amin’ny toritenin’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi –…
Tohiny
13 JANOARY 2020 – 19 JANOARY 2020
« Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ». Lioka 13 :13 SAO DIA IANAO ILAY MANJOKO ARA-PANAHY ? Nanjoko tsy afa-nitraka ity vehivavy tantaraina eto ity nandritra ny 18 taona. Ka ny zavatra hitany nandritra ny 18 taona dia ny tany, ny loton’ny tany.…
Tohiny



