Asa sy Tantara STK Zandriny

1965-2015 : STKZa 50 taona

Feno dimampolo (50) taona ny taona 2015 teo ny Sampana. Taona nentina nisaorana sy nankalazàna tanteraka an’Andriamanitra noho ny famindrampony ka nitehirizany ny Sampana tao amin’ny saham-panompoana Azy.
Taon-jobily nahatsiarovana ihany koa ny maha vanimpotoam-panafahana sy fiavaozana izany, ka nentin’ny fianakaviamben’ny STK Za nanavao ny fanoloran-tenany ho amin’ny fanompoana ka niarahany niredona hoe: “Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’I Jehovah” (Salamo 118:17)

Birao 2015-2018
Filoha : RAMBOASON Niandry Sombiniaina
Filoha mpanampy 1: RAKOTONAIVO Solofojaona Roberto
Filoha mpanampy 2 : RABEARIVELO Dina Mitia
Mpitantsoratra momba ny rakitsoratra 1 : RAVELOMANANA Arisoa
Mpitantsoratra momba ny rakitsoratra 2 : ANTSANIRINA Haingotiana
Mpitantsoratra momba ny vola : RANDRIAMAROVELO Riantsoa
Mpitahiry vola : RABEVAZAHA Tojo

CONTACT
TEL: +261 34 08 543 67 / +261 33 72 748 00
Email: ktzandriny@gmail.com

DESCRIPTIF DES ACTIVITES
Zava-kendrena
Amin’ny maha rantsan’ny STK FJKM aty amin’ny Fitandremana ny STK Za dia mitodika hanatrarana ny zavakendren’ny STK reniny avokoa ny sahan’asa sy tetik’asa tanterahina. Izany hoe :
« Ny STK Zandriny dia mandray ho adidy ny mitory ny Filazantsara amin’ny tanora sy ny olombelona rehetra, ary miantso sy mitaona ny tanoran’ny fiangonana hobeazina sy hotezaina ka ho tonga tanora mahery ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana, ary ho vavolombelon’i KRISTY.
…. raisiny ihany koa ny manomana ny tanora ho tomponandraikitra eo amin’ny asan’ny Fiangonana rehetra, araka izay tandrify azy. »
Sehatra ivelarana
Miezaka hanatratra ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny Tanora, ho fanabeazana azy ny STK Zandriny koa dia mivelatra araka izay ny sehatra hitrandrahany ny sahan’asa sy tetik’asany.
Sokajin’Asa 04 hatreto no mijoro ara-dalàna ho fanatanterahana ny asa:
* Aim-panahy
* Zava-kanto
* Saina
* Fanatanjahan-tena
Ny Sokajin’Asa izay sehatra hitrandrahana sy hikolokoloana ireo fanomezam-pahasoavana samihafa hananan’ny mpikambana.
Endrika sahan’asa
- Fisintonana sy Fampianarana isan-telovolana (iarahana amina Zoky na Mpitandrina, iresahana lohahevitra iray miteny mivantana amin’ny tanora, ho fampitomboana ara-panahy sy hifampitondràna am-bavaka)
- Etude Biblique isam-bolana (hizàrana ny hamamin’ny fiarahana mandinika ny Tenin’Andriamanitra)
- Asa sosialy : famangiana ny Aumonerie CHD Manakavaly isan-taona (fiaraha-mivavaka sy fitondràna fanampiana)
- Mandray anjara hira mandritry ny fanompoam-pivavahana isaky ny Alahady faha-3 ihany koa ny STK Za
- Ny fivoriana isan-kerinandro izay ifandimbiasan’ny Sokajin’Asa sy ny Birao mikarakara (fianarana taozavatra, adihevitra, fianaran-kira, randonnée, jeu biblique, projection film, sns …)
- ary ny hafa …
Izay rehetra izay dia @ alalan’ny lalao sy fomba mahafinaritra (ludique et amusante) satria tsy azo adinoina fa ny herin’ny tanora dia ny vitrika sy ny fahaiza-mamorona ananany (dynamisme et créativité).
« Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao ; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao » I Tim 4 :12

Vaovaon'ny STK Zandriny