TAK enfants des rues

 

_dsc0016FJKM ISOTRY FITIAVANA
Tetik’asa Ankizy Krismasy (TAK)

« Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo,
ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra” Marka 16 :15

“Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, …
Sady mampianatra azy izay rehetra nandidiako anareo” Matio 28: 19a/20a

1- TAK : Asa fitoriana Filazantsara sy fanaovana ho mpianatr’i Jesoa Kristy
• Asa fitoriana Filazantsara mahakasika ny maha-olona manontolo (saina, vatana, fanahy) :
- ho an’ireo ankizy sahirana, kamboty,… Nisy tamin’izy ireo nangonina teny andalambe…
- ho an’ny Ray aman-drenin’ireo ankizy TAK ireo ihany koa.
• Asa fanaovana ho mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.
2- Fitaizana TAK : fitaizana mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra
• Mitory an’i Jesoa Kristy ho an’ny ankizy sahirana sy ireo Ray aman-dreniny
• Mitaiza ireo ankohonana araka ny tenin’Andriamanitra :
- fizarana Tenin’Andriamanitra ho fitaizana, fanitsiana, fampaherezana
- famporisihina azy ireo hanaraka ny fitaizana atolotry ny Fiangonana (Sekoly Alahady, fianarana Katekomena, famakiana baiboly isan’andro, fisintonan’ny Fiangonana…)
- fampivelarana amin’ny maha-olona manontolo : fanofanana arak’asa, fampianarana any an-tsekoly, fandefasana ankizy amin’ny lasy FMMB…
• Mitaiza azy ireo amin’ny lafiny maha-olona iatrehany ny fiainana andavanandro : fitandrovana fahadiovana, fitantanam-bola, fanomezana torohevitra amin’ny lafiny samihafa..., izay fiaraha-miasa amina “assistante sociale”
• Mitaiza azy ihany koa mba handray andraikitra, handray anjara amin’ny fiainam-piangonana, hanome fa tsy miandry tolorana na mandray fotsiny ihany
• Ny asa fitaizana dia mitaona ny ankizy sy ny ankohonany hifandray amin’i Jesoa Kristy sy ho mpianatr’i Jesoa Kristy ary mifameno amin’ny fitaizan’ny Fiangonana.
• Mametraka sivana sy fitsipi-pifehezana ary fandaminana ihany koa ny tetik’asa,.

“Fa ny tany tsy ilaozan’ny olona malahelo, koa izany no andidiako anao hoe :
Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra izay eo amin’ny taninao.” Deoteronomia 15 : 11
3- Fanohanana ara-tsosialy ataon’ny Fiangonana IF : asa fanehoam-pitiavana ho an’ny TAK
• Fanomezana fitsaboana maimaim-poana ao amin’ny Dispensaire FJKM IF ho an’ireo ankizy
• Fanomezana “Vary ho an’i Jesoa”, fitafiana, kilalao…
• Fanohanana fianaran’ireo ankizy any amin’ny Institution Marthe Hervé (Sekoly Kristianina). Misy fandraisana anjara ara-bola ataon’ireo Ray aman-dreny araka izay zakany

4- Ankohonana tohanana : Ankohonana TAK manaiky tezaina
- Ankohonana mazoto amin’ny fitaizana rehetra atao (ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana)
- Ray aman-dreny tompon’andraikitra, manaiky ny fitaizan’ny Fiangonana, te hivoatra ary mampiseho finiavana.

Zava-kendrena
• Ankohonana mpianatr’i Kristy ka mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mizara ny famonjeny amin’ny hafa
• ankohonana mivoatra amin’ny lafiny maha-olona manontolo (saina, vatana, fanahy)
• ankohonana mizaka tena.
5- Ankizy TAK mijoro vavolombelona