SAROBIDY INDRINDRA EO IMASON’ANDRIAMANITRA IANAO

Marka 14, tantara malaza be, tantaran’ilay vehivavy tsy fantatra anarana nandraraka menaka manitra tamin’i Jesoa. Marka 14:3 : « Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka ».

IO MENAKA MANITRA NISY NARDA SAROBIDY INDRINDRA IO DIA OHATRA AMPIASAIN’I JESOA HANAMBARANA FA IZAHO SY IANAO DIA SAROBIDY INDRINDRA EO IMASONY

Izany no vaovao mahafaly amin’izao andro izao : sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra isika. Fa ny ampianarin’ny Tompo ao anatin’izany dia izao : tsy maintsy vakiana ny tavoara alabastara vao hita, vao re ilay fofo-manitra ry havana ô. Raha mbola mijanona ao anatin’ilay tavoara alabastara ilay menaka, dia tsy mamoaka fofo-manitra mihitsy. Izay ilay izy.

Menaka manitra, narda sarobidy indrindra ianao : meteza ho vakiana ilay tavoara alabastara itehirizan’ny Tompo anao, hanehoana izany haha-sarobidinao izany ; ahitan’i Jesoa ny haha-sarobidinao, ary koa hitondranao soa, na ho an’iza na ho an’iza. Vao misokatra fotsiny ilay tavoara alabastara dia hoe manomboka miseho ilay fofo-manitra ; fa tsy ampy izay e ! Mila novakiana ilay tavoara alabastara izay vao azo nararaka teo amin’i Jesoa, nameno ny trano ilay hanitra avy aminy.

Eo ilay toe-panahinao, eo ilay fanomezam-pahasoavana, io narda sarobidy io ; ilay fanomezam-pahasoavana napetraky ny Tompo tao aminao, io narda sarobidy indrindra io. Fa izao : tian’ny Tompo ho vakiana io amin’izao andro hariva izao ry havana ô, mba hahasoa ny hafa, ary amin’izay ianao dia handeha mendrika ny fiantsoana hoe zanaka, mpanompon’Andriamanitra, ka hoe hanitra fiainana ianao ho an’izay mino, ary hanitra ho an’ny fahafatesana ianao ho an’izay velona.

Andeha isika handinin-tena, ny amin’izany hoe sarobidy loatra izany isika, ary hangataka amin’ny Tompo hoe ampahafantaro ahy Tompo ô, inona ny tavoara alabastara mila vakiana : fihahanahana ve ? fahalainana ara-panahy ve ? fahazarana manao kapo-batana ve ? fanaovana valy boraingina ve ? sy ny karazany, sy ny karazany… Misy tavoara alabastara tian’ny Tompo ho vakiana eto ry havana, fa rehefa tsy vakiana io, tsy hahasoa anao, ary tsy azo entinao milevina any am-pasana.