RESAKA ASA SOA

Marka 14 :6 : « Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana hianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko ».     

ASA SOA NO NATAONY TAMIKO

Ahoana moa ry havana no mahatonga an’i Jesoa hiteny hoe : asa soa no nataon’ity vehivavy ity tamin’i Jesoa? Andao anie jerena ny Jaona 6 :28-29 : « Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra? Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny ». Ny asa soa izany dia asa tsara, asan’Andriamanitra. Ary izay no ataon’ity vehivavy ity eto izany : manao asa soa. Fa ahoana no anaovany asa soa ? Dia hoe ny inoany an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy. Izany no ataon’ity vehivavy ity eto raha manolotra ity menaka manitra ity. Dia mety mbola tsy mazava ihany, fa ahoana marina no maha asa soa azy e ? Jesoa nahafantatra fa rehefa ho faty Izy dia tsy ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ny fanosorana menaka Azy, And.8 : « Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy ». Raha ilay condition nahafatesan’i Jesoa dia tsy tanteraka ilay hoe fanosora-menaka an’i Jesoa. Tsy mba voahosotra menaka manitra Izy toy ny fanao amin’izay maty rehetra. Dia hoy Jesoa : ny Fanahy Masina no mahatonga azy hanosotra menaka manitra Ahy ho amin’ny fahafatesana ; Ary izay no ilazana hoe manao asa soa izy an, manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy.

Ry havana ô, mampandinin-tena anao ny Tompo amin’izao raha hoe raisinao marina ho Tomponao sy Mpamonjinao ve Jesoa Kristy ? Sa araka ilay nampatsiahivin’i Pasteur Ammi tamin’ny 24 Avril iny hoe : an an an, Mpamonjinao Izy fa tsy Tomponao. Tsy Tomponao Izy e, ka hoe ankatoavinao tsy misy fepetra.

Andeha isika handinin-tena ny amin’izany, fa rehefa mandinin-tena ny amin’izany isika ka miroso amin’izany dia manao asa soa ho an’ny Tompo isika ry havana.