REHEFA TSY MIADY IANAO TSY HAMELA NY OTA HANJAKA, DIA NAMAN’NY MANOLO-TENA HO AMIN’NY OTA IANAO.

Romana 6:12,14,16 : « Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? »

Mampatsiahy antsika ny Tompo fa hoe andevon’izay anolorantsika tena isika. Ny adidy, ny hafatra izay omena ny olona vita batisa ka eo ambany fahasoavana dia eo amin’ny and.12, hoe : « Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany ». Misy ady mangotraka eo izay tsy maintsy atrehin’ny mpino vita batisa ry havana o. Ary izao ilay fahamarinana ampatsiahivin’ny Tompo amintsika : REHEFA TSY MIADY IANAO TSY HAMELA NY OTA HANJAKA, DIA NAMAN’NY MANOLO-TENA HO AMIN’NY OTA IANAO.
Raha manana fahazaran-dratsy ianao mandainga, dia asain’ny Tompo ianao : aza avela intsony ny lainga hanjaka amin’ny fomba fisainanao, hanjaka ao am-ponao. Aza avela intsony izy hanjaka e ! Fa rehefa tsy miady ianao tsy hamela azy hanjaka, lasa manolo-tena ho amin’ny lainga ianao. Ary rehefa manolo-tena ho amin’ny lainga ianao dia andevoziny. Izay no mahatonga an’ilay teny frantsay hoe, misy olona : « il ou elle ment comme il ou elle respire ». Fa lasa fiainany ilay izy, andevozin’iny izy ry havana. Izay ilay fampitandremana antsika : izay anoloranao tena dia manandevo anao.
Izao anefa ry havana : samihafa ny hoe miady tsy hamela ny ota hanjaka, dia ny hoe miady kanefa lavo ihany. Ary hafa ilay olona hoe miady tsy mamela ny ota hanjaka, dia lavo, dia mamoy fo dia hoe mi-se résigner. Hoy ny mpitoriteny matetika hoe zavatra iray ny hoe : lavo ; ary zavatra iray samihafa izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny hoe mitoetra, mitoetra, mitoetra, ary manamarin-tena anatin’ny fahotana.

Fandinihan-tena :
Andao isika hianatra hiady mba tsy hamela ny fahotana hanjaka ; ary ny ahafantarana hoe niady, tena niady isika, jerentsika ny Matio 26, ilay Petera nitomany fatratra raha nandà an’i Jesoa Izy ; Matio 26:75 : « Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra » : il pleura amèrement.
Ezekiela 21:11 : « Ary ianao, ry zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny fangidiana eo imasony ». Ity olona hoe nanota ity, na nanota tsy nahy, tonga saina izy eto amin’ny fahotany, dia hoe midridridridry toy ny tapa-balahana. Mikiakiaka, mitaraina toy ny hoe tapaka lamosina ry havana.
Enga anie ka ohatran’izany isika rehefa hoe niady tamin’ny fahotana ka sanatria hoe lavo , dia hoe tsy hanamari-tena fa tena hoe hitomany fatratra ohatran’i Petera ary hanao ohatran’i Ezekiela isika Fiangonana, toy ny tapa-balahana.
Mangataha izany toe-po izany amin’ny Tompo.