Quand Jésus aime, il aime jusqu’à la fin et son œuvre est parfaite

Hoy ilay Salamo 138 :8 : « Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindramponao; Aza mahafoy ny asan’ ny tananao ». Aza mahafoy ny asan’ny tananao.

Une fois ianao miteny hoe azonao antoka izany fa Andriamanitra no miasa hahatanteraka ny aminao ; ary faharoa, azonao antoka izany satria mandrakizay ny famindrampony, ny fakam-panahy ary ny fahadisoan-kevitra dia hoe : mipetraka fotsiny ianao mi-croiser les bras. Tsia ry havana, tsia. Ny fahafantarana an’izany hoe : Andriamanitra miasa hahatanteraka, Andriamanitra miasa hamindra fo : manosika anao hivavaka : « Andriamanitra ô, aza mahafoy ny asan’ny tananao ». Ilay hoe Andriamanitra miasa, Andriamanitra mamindra fo : tsy mi-remplacer an’ilay vavaka andrasany aminao ; tsy mi-remplacer ny vavaka izany. Au contraire, mi-accélérer  vavaka. Vavaka manao ahoana ? « Aza mahafoy ny asan’ny tananao. Aza mahafoy, aza avotsitra, aza adinoina izaho, asan’ny tananao ».

Andriamanitra ry havana, rehefa miasa, rehefa mamorona : asan’ny tanany isika, dia tsara, parfait. Manao chef-d’œuvre Izy. Haintsika tsianjery izany. Fa rehefa mijery ny fiainanao ianao an : mety tsy parfait ny fiainanao androany, mety tsy chef-d’œuvre ; ary izay no mahatonga antsika hivavaka hoe : « Andriamanitra ô, aza mahafoy ny asan’ny tananao. Fa Ianao rehefa tia, araka ny tenin’i Jesoa ao amin’ny Jaona 13 dia tia hatramin’ny farany ». Quand Jésus aime, il aime jusqu’à la fin et son œuvre est parfaite. Asehoy Jesoa an, asehoy ilay affection-nao. Izany ny dikan’ny hoe « Aza mahafoy ny asan’ny tananao ». « Tu vas tout mener à bonne fin ; fidèle Ianao, mamindra fo ianao, ary mandrakizay izany. Aza mahafoy ny asan’ny tananao ».

Ny olona mivavaka hoe : « aza mahafoy ny asan’ny tananao », dia miteny koa hoe : « ampanekeo aho hanao ny sitraponao ; tsy mipetrapetra-potsiny fa tena manana fo vonona hanao ny sitraponao ».