NY TENIN’ANDRIAMANITRA DIA TENY VOAZAHA TOETRA

Salamo 119 :139-141 : « Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao. Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao ».

VOAZAHA TOETRA NY TENIN’ANDRIAMANITRA – PURE NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Izany hoe madio, voazaha toetra ny tenin’Andriamanitra ka manadio. Voazaha toetra, madio, ka manadio.

Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao », ilay « voazaha toetra » dia adika amin’ny teny frantsay hoe : « purifié de tout alliage ». Voadio izany an amin’izay hoe mety zavatra mahaloto azy. Ary izany no mahatonga ny mpanao Salamo hiteny hoe : « voazaha toetra » ; izany hoe efa nodiovina, tsy misy alliage amin’ny zavatra maloto. Izany no itiavan’ny mpanompon’Andriamanitra an’ilay tenin’Andriamanitra : voazaha toetra izy, madio izy dia tian’ny mpanompon’Andriamanitra. Manontany anao ry havana ny Tompo : manao ahoana ny fitiavanao ny tenin’Andriamanitra ? manao ahoana ny fitiavanao ny tenin’Andriamanitra ?

Misy archéologue anankiray izay nanao fouille tany Jérusalem, dia mikaroka eo izy, mikaroka eo amin’ilay site eo izy, dia mahita zavatra somary mahagaga, rouleau misy soratra ary rouleau en cuivre. Matetika moa ny rouleau, parchemin en cuir na amin’ny ravina ana-maina ireny. Fa ny azy an, rouleau en cuivre izany. Dia ny tena nahavariana tamin’ilay rouleau en cuivre, dia ohatrany nahita anarana izy nisoratra teo hoe : Jehovah. Ilay izy teny hebreo, dia nisy hoe : Jehovah. Dia tena gaga mihitsy izy hoe ahoana, tena hebreo ity, ary tsy fanaon’ny jiosy izany hoe manoratra ny anaran’i Jehovah izany, na manonona ny anaran’i Jehovah izany. Dia nalainy ilay izy teo amin’ilay tany fasika nahitany azy, dia tena hoe nokenakenainy, nodioviny, no tandremany fatratra mba tsy ho vaky, mba tsy hipatitaka ilay izy satria efa tena antitra ilay izy. Dia azontsika sary an-tsaina hoe manana karazana pinceau izy dia ananony moramora ohatran’izao izay vovoka na fasika na tai-piraka izay nipetraka teny. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra mitantara an’izay : izany ny itiavan’ity archéologue ity ny tenin’Andriamanitra, izany ilay hoe finiavany hitrandraka ny hevitry ny teny izay noraketiny. Manao ahoana ianao, manao ahoana ny fitiavanao ny tenin’Andriamanitra ry havana ô? Manao ahoana ny finiavanao hoe handinika sy hianatra ny tenin’Andriamanitra ? Manana patience amin’izany ve ianao ? Manana fotoana amin’izany ve ianao ? Fa rehefa izany, dia ho hitanao tokoa hoe tena teny voazaha toetra io, tena tsara io, satria ahitanao an’ilay Andriamanitra io. Ary dia hitombo, hitombo amin’ny fitiavana an’izany teny izany ianao.

Fa misy boribory ratsy eo : tsy manam-potoana ianao, na tsy manokana fotoana ianao hamakiana teny an, tsy hitanao fa hoe teny voazaha toetra io.

Ny tenin’ny mpanao Salamo farany eto amin’ny and.141 ; hoy izy hoe : « Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao ». Ilay hoe kely izy natao tsinontsinona : kely izy teo amin’ny fiaraha-monina, olona kely izy eo amin’ny fiaraha-monina, fa tsy olom-be dia natao tsinontsinona izy ; ary vao maika izy natao tsinontsinona satria ohatran’ny olona kely maro dia hoe mifikitra amin’ny teny dia vao maika koa izy natao tsinontsinona ry havana ô. Fa izy mahafantatra, araka ilay and.140 hoe io tenin’Andriamanitra, io didin’Andriamanitra io dia voazaha toetra ary madio io. Dia hoe hifikarany io, tsy nohadinoiny io satria mba te hitombo amin’izany fahadioavana izany izy. Ka n’inon’inona pression-ny olombe, dia mifikitra amin’ny teny izy ; n’inon’inona fanesoana dia mifikitra amin’ilay teny izy, satria hoe voazaha toetra, madio ilay teny, ary fantany fa hoe hanadio azy.

Izay ny fahamarinana anankiroa, hoe : voazaha toetra ny teny, madio ilay teny. Manao ahoana ny fitiavanao an’izany teny voadio izany ? Ary ifikiranao ve izany satria antenainao hanadio anao ?Andao isika handinin-tena amin’izany ry havana.