L’ETERNEL REGNE

Salamo 97 :1a : « Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany »
Amin’ny dikan-teny segond dia hoe : « l’Eternel règne ». Ny olona mahafantatra an’izany dia mitoetra anaty fifaliana.
Isika dia mandeha amin’ny finoana ka rehefa lazaina amintsika hoe « l’Eternel règne » dia hoe Izy mipetraka ao amin’ny toeran’ny chauffeur ; Izy no mahita ny plan de route ka Izy no :
- Mitazona ny familiana ny tantaran’ny firenena
- Mitazona ny familiana ny tantaran’ny fiainako sy ny fiainanao
Fampieritreretana :
- Efesiana 1 :11 : « ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’ izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony » : ny zavatra rehetra mitranga dia araka ny fikasan’izay mahefa ny zavatra rehetra, araka ny ankasitrahan’ny fony
- Filipiana 4 :6 : «Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra» : eo am-pelatanany ny familiana ny tantara ; mahefa ny zavatra rehetra Izy araka izay ankasitrahan’ny fony
Mangataha mba hitombo amin’ny fivavahana sy ny finoana ary ny fisaorana. Mitomboa amin’ny fiainam-bavaka

Salamo 97 :7 ; Salamo 97 :5 : «Ary ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy ; Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. »
AZA MANOMPO ANDRIAMANI-TSY IZY INTSONY ARY AOKA IZAY NY MIARAHABA TENA
Aza miarahaba tena manompo andriamani-tsy izy . Misy kazazany roa ny olona eto :
- Eo amin’ny and.5, « miempo tahaka ny savoka »
- Miarahaba tena, afa-po amin’ny tenany
Ny olona mirehareha satria olona diso Andriamanitra : andriamani-tsy izy no tompoina kanefa io no hireharehany.
Rehefa mahita ny fiainam-piangonana dia olona miarahaba tena no hita. Nahoana ? Mankaty am-piangonana izy, tsy tara, miandry ny tso-drano, fa tsy manova ny fiainany ny teny reny satria miarahaba tena, afa-po amin’ny tenany, satria tsy manana toe-tsaina hoe miempo eo anatrehan’Andriamanitra. Miarahaba tena satria jambain’ny andriamani-tsy izy dia ilay « izaho » ao aminy.
Fampieritreretana :
- Sao dia ianao izany miarahaba tena izany, afa-po amin’io andriamani-tsy izy io dia ny tenanao izany ?
- Mianara mivavaka hoe : « Andriamanitra ô, atao anie ny sitraponaoato am-poko tahaka ny any an-danitra »

Salamo 97 :11 : « Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifaliana ho an’ ny mahitsy fo »
TE HANAMPY ANAO IZY HIAINA ANATY FAHAZAVANA
Rehefa mandinika ny fiainantsika dia hita fa rakotry ny aizina ny tany. Romana 1 :29-32 : « ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’ Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’ Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. » Ireo no exemple-ny aizina mandrakotra ny tany ; izany no mibaiko ny fifandraisan’ny olona
Fa izao, ny olona tsy mahazaka mitoetra ela ao anatin’ny aizina. Manana fahefana sy hery Izy hamafy fahazavana ho antsika izay rakotry ny aizina. Salamo 119 :105 : «Fanilon’ ny tongotro Sy fanazavana ny làlako ny teninao »
Fampieritreretana :
Mangataha amin’ny Tompo mba ho fanazavana ny lalantsika Izy, ny Baiboly