KARAZANA FO 4: AHOANA NY AMIN’NY FONAO?

"Ireo teny amoron-dàlana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy dia mihemotra izy. Ireo teny amin’ ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’ izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ ny faharetana ". Lioka 8 :12-15

Misy karazana fo 4. Inona avy ireo karazany ireo ?
1.    Fo amoron-dalana
Ny hoe « amoron-dalana » dia hoe tsy mino ka tsy hovonjena, fo tsy vonona hino ka tsy hovonjena.
Ny olona manana fo « amoron-dalana » dia ireo olona mankany am-piangonana ihany ny Alahady, ireo olona mamonjy ny fampianarana Soratra Masina ihany amin’ny andavan’andro, kanefa mandeha fotsiny fa tsy mandray izay lazaina ao ; mandre fotsiny fa tsy vonona hino ; mandre ny teny fa tsy mandray ny teny ao am-pony, ka tsy fantany izay ambaran’ny tenin’Andriamanitra aminy ary tsy mahatsiaro ny fahotany izy, tsy mibebaka, ka ny helo no miandry azy.

Ny olona manana fo amoron-dalana dia ireo olona mandre ny teny saingy toy ny mitsikafona ilay teny satria tsaingohin’ny devoly.

Fandinihan-tena : Andeha isika hangataka amin’ny Tompo fo tena mino, mba tsy ho tsaingohin’ny devoly ny teny rehetra rentsika.

2.    Fo vatolampy
Ny olona manana fo « vatolampy » dia olona mba mandre ny teny ihany, mandray ny teny ihany, faly mandre ny fampianarana noho ny qualité-ny fampianarana ohatra, na noho ny hamamin’ny fampianarana ; fa ny problema dia ilay teny tsy mamaka ao aminy, satria raha mba te hamaka ilay teny dia misy fo vatolampy ao ambanin’ilay teny dia malaky malazo sy maty ilay teny. Ny antony dia satria ilay fo dia mbola fo vato.

Ilay hoe « tsy manam-paka » ny tenin’Andriamanitra dia izao : tsy manana racine. Ny teny hoe racine dia avy amin’ny teny latinina hoe « radix » izay manome an’ilay teny hoe « radical ».  Ka ny ahafantaranao hoe mamaka ao amin’ny fiainanao ny tenin’Andriamanitra, dia hoe manova ny fomba fijerinao ianao, manova ny fomba fijerinao an’Andriamanitra, manova ny fomba fijerinao ny finoana, manova ny fomba fijerinao ny fanompoana : manana vision ifotony ianao, manana vision radicale ianao.

Fandinihan-tena :
Hatraiza ny fontsika no mbola vatolampy ? Ekeo fa ianao no mbola manana fo vatolampy
Mangataha mba tsy ho isika no malaky mihemotra manoloany ny teny rehefa tojo fahoriana, mba tsy ho isika no malaky mamadika an’i Jesoa.

3.    Fo tsilo
Ny olona manana fo « tsilo » dia olona tia fivavahana, olona tia fivoriam-bavaka, olona tian y Fiangonana, olona tia, tena tia nefa en même temps dia raiki-pitia loatra amin’izao tontolo izao, ary mankasitraka ny fanaon’izao tontolo izao.
Ny problema dia izao : ireo fanirian’ny Fanahy sy ireo fanirian’ny nofo dia mifampitolona ao am-po, mifampitolona ka ny farany dia mifamono. Ary ny teny problema aza dia tsy vitan’ny hoe mifampitolona sy mifanomono ireo, fa hoe, rehefa miara-maniry ny tsilo sy ny voa tsara dia miha-mahery ny tsilo ka ny farany dia resiny ny voa tsara.

Misy karazany 3 ny tsilo eo amin’ny fiainan’ny olombelona :
-    Ny fiahiahiana : mahazo ny mahantra na ny olona tsy ampy vola
-    Ny harena : mahazo ny olona tia vola
-    Ny fahafinaretana : mahazo ny olona mandeha araka ny fisainana sy ny fanaon’izao tontolo izao

Fandinihan-tena : Inona no tsilonao, fa rehefa ela ny ela dia hamono ny fanahinao?

4.    Fo tany tsara
Ny olona manana fo « tany tsara » dia ny olona mandre ny teny amin’ny fo ary mandray marina izany teny izany.
Salamo 1 :2 : « Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina ». Amin’ny version segond ilay hoe « sitrany » dia adika hoe « plaisir » ; ny lalàn’Andriamanitra no plaisir-ny. Ary ny fo tsara, ny attitude-ny par rapport amin’io lalàna io : saintsaininy andro aman’alina. Ny olona manana fo « tany tsara » izany dia manana fo misaintsaina ny tenin’Andrimanitra andro aman’alina : ny teny rehetra re dia sainina andro aman’alina. Izany ny fo tsara, izany ny fo marina, izany ny fo mino.

Ny olona manana fo « tany tsara » dia misaintsaina ny teny ary koa mitandrina izany teny izany.

Fandinihan-tena :
Mangataha fo « tany tsara », fo manana plaisir amin’ny tenin’Andriamanitra. Fa io mantsy ohatran’ilay hoe « l’appétit vient en mangeant » : ny didy dia hoe misakafoana ny teny dia hahita fahafinaretana, hahita plaisir hisaintsaina io teny io.