JESOA SAFETY ROOM

« Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy ; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy ». — Salamo 18 : 2

Mazava ny tenin’i Jesoa ry havana : « eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana ». Iza no mampahory ? Ny fahavalo no mampahory.

Ny ahafantarana hoe ny Fiangonantsika dia mitory ny fampianarana tsy misy kilema, ao anatin’izany ny Fjkm Isotry Fitiavana,  dia miteny izy hoe : « Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro ». Inona no dikan’izany ? Anaty fahoriana, anaty problema, dia hoe : Andriamanitra eo anilako miaro ahy. Tsy mandà fahoriana ny olona vonton’ny filazantsara ; fa miteny hoe : « Ianao, Andriamanitro ». Izay ilay izy.

« Vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy ». Anaty problema dia tsy miteny izy hoe : foano ny problema ; fa : Ianao fiarovana ho ahy. Inona no dikan’izany hoe « Ianao fiarovana ho ahy » izany ? Hoe : « Misaotra Anao aho Jesosy an, ny amin’ny fizahan-toetra, ny amin’io tokantranoko io, ao amin’ny asako io, ao amin’ny fianakaviako io, ao amin’ny fiaraha-monina ; misaotra Anao aho fa hoe exercice-ny finoako io » ; fa tsy hoe : « foano io » ; non non non. Izany discours-ny secte izany. Manana problema ianao, dia hoe : « Ok Jesosy an, ekeko ilay problema ; test io omenao ahy inoako hoe eo anilako Ianao, mampahery ahy ianao ».

Izany no nolazain’i Davida tao anatin’ny fahoriana : « « Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy » ; dia hoe : « vatolampy ialofako »,  « fiarovana avo ho ahy ». Hitantsika any amin’ny internet any hoe amin’izao fotoana izao, misy olona manamboatra trano, dia hoe misy efitra anankiray antsoina hoe : « safety room », chambre na salle de sécurité. Hoe : rehefa manafika ny dahalo, rehefa manafika ny mpanafika, dia misy « safety room » ao. Hoy Davida eto : Ianao no fiarovana ho ahy, Ianao no fiarovana avo ho ahy.

Ao anatin’ilay test ry havana ô, testé-n’i Jesosy ny fonao, tena capable ve ianao miteny hoe raha manafika ny dahalo, raha manafika ny olon-dratsy: « Ianao Jesosy an, safety room ho ahy, fiarovana ho ahy, fiarovana avo ho ahy ». Capable ve ianao miteny an’izany e ?

Ilay fahamarinana 1, hoe : est-ce que tu es capable de dire : « Jésus, je t’aime de la façon  la plus intime » ? Eto amin’ilay fahamarinana 2 : capable ve ianao hiteny hoe : « Ianao no safety room n’inon’inona mitranga ao amin’ny fiainako » ? Izany ny fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika e. Izy no fiarovana ho anao.

Izany mantsy no lazain’ny Fihirana FFPM 1 :2 hoe : « Andriananahary masina indrindra ! Na tsy hita aza izao ny voninahitrao ! ». Na tsy hita aza Izy : « Ianao safety room-ko ».

« N’inon’inona fanafihana, n’inon’inona attaque, n’inon’inona défi, Ianao Jesoa fiarovana ho ahy, Ianao safety room-ko ».