JESOA MAMPIANATRA NY ESSENTIEL

Marka 7:5: "Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatra no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana,fa mihinan-kanina amin'ny tànana tsy misasa izy?"

Fahamarinana 1: JESOA KRISTY TE HAMPIANATRA ANAO HAMANTATRA NY ESSENTIEL AMIN'NY FINOANAO SY AMIN’NY FIAINANAO
Ny essentiel amin’ny finoana dia ny maha-mpianatra anao, ianao manana fon'ny mpianatra.
Tsy mba tahaka izany ireto Fariseo sy mpanora-dalàna ireto : avy lavitra izay, fa ny toe-pony sy ny toe-tsaina dia hamandrika an'i Jesoa, toe-tsaina négatif.
Ny fanahin'ny critique no nibaiko azy. Inona no hitany teo amin'i Jesoa? Zavatra bitika no hitany fa tsy nahita ny essentiel izy, dia ny resaka fanasana tànana. Izany no ni-critiqué-ny an' i Jesoa.
Tsy hitan’izy ireo fa tonga Jesoa hiantso ny olona ho mpianany, hanadio ny fonao amin’ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana rehetra : izany no tena fisasana, izany no tena fahadiovana.

Mangataha amin’ny Tompo mba tsy ho aminao izany esprit négatif, izany esprit de critique izany amin’ny finoana, amin’ny Fiangonana, ka tsy ahatakarantsika izay essentiel. Managatha amin’ny Tompo mba hatorony hatrany izany essentiel izany amin’ny fanarahana Azy dia ny maha-mpianatra, fa tsy ny maha-mpino fotsiny, ary fananana fo voadio amin’ny ràny isan’andro.

Marka 7:6: "Fa Jesoa nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy"

Fahamarinana 2: RESAKA FIHATSARAM-BELATSIHY
Amin'ny teny grika dia hoe mpanao teatra, mpanao zavatra amin’ny lalao an-tsehatra, fa tsy amin' ny fanaony amin'ny andavan'andro.
Ny olona mpihatsaravelatsihy dia olona mpanao teatra satria 2 fo, 2 endrika, 2 lela, 2 lafiny, izany hoe mifanipaka ny lafiny 2 amin'ny toetrany. Ary miseho amin'ny fananana comportement contradictoire ny fihatsaram-belatsihy. TANDREMO NY CONTRADICTION AMIN'NY FIAINANAO SY AO AMIN’NY FIAINAM-PINOANAO.

Mangataha amin’ny Tompo mba tsy ianao no mpihatsara velatsihy fa ho iray ihany ny teninao, ho iray ihany ny lelanao, ho iray ihany ny lafim-piainanao, ho iray ihany ny toetranao

Marka 7:7: "Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy"

Fahamarinana 3:FOANA NY FIVAVAHANAO RAHA MANARAKA FAMPIANARAN'OLOMBELONA SY DIDIN'OLOMBELONA IANAO
Ny tao an-tsain’i Jesoa dia ny jiosy aloa, jisoy izay nanana ny làlan’i Mosesy, lalàna hita ao amin’ny pentatioka. Io ilay fampianaran’ Andriamanitra. Fa taty aoriana tonga ny olom-pahendrena jiosy isan-karazany sy ny mpanora-dalàna izay nampianatra ary nanao interprétation an’io lalàna io. Ireny no nataony ambony noho ny lalàn’i Mosesy. Dia izay fomba na fampianarana izay no ataon’ny jiosy hoe mamonjy. Izany no mahatonga an’i Jesoa hiteny eto hoe « foana izany fivavahanareo izany » satria ilay fomba no heverina ho mahavonjy. Midika hoe fanompoan-tsampy izany hoy Jesoa.
Ahoana ny endriny amin’izao fotoana izao ?
- Ny fampianarana omen'ny katolika mihevitra fa ny fampianaran'ny Fiangonana, ny fampianaran’ny pape dia ambony noho ny fampianaran’ny Baiboly.
- Ho antsika malagasy, ny fomban-drazana sy fanaon-drazana dia heverina fa ambony noho ny Soratra Masina. Ny hafatry ny maty dia heverina fa mbola ambony noho ny hafatry ny Tompo ; dia izany no heverintsika hoe mahavonjy
- Ny fifikirana amin'ny hevitry ny tena, ny eritreritry ny tena, ilay hoe " izao no fahitako an’io". Raha izay no entinao manao ny asa fanompoanao, foana ny fivavahanao satria diso hevitra ianao satria tsy izany no hahavonjy anao.

Sao dia isika no mbola mifikitra amin’ny eritreritsika, amin’ny fomba fahitantsika an’Andriamanitra, amin’ny fomba fahitantsika ny filazantsara, amin’ny fomba fahitantsika ny asa fanompoana ? Sao dia foana ny fivavahantsika manoloana izany ?