IZAO LANITRA HITANTSIKA IZAO, ITY TANY MISY ANTSIKA ITY, DIA HO LASA AMIN’NY FIRIMORIMOANA MAFY, ARY HO LEVON’NY AFO NY TENAN’NY ZAVATRA REHETRA

« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy ».2 Petera 3 :10

TSAROVY FA IZAO LANITRA HITANTSIKA IZAO, ITY TANY MISY ANTSIKA ITY, DIA HO LASA AMIN’NY FIRIMORIMOANA MAFY, ARY HO LEVON’NY AFO NY TENAN’NY ZAVATRA REHETRA
Manao parenthèse kely, hoe : tena manohitra tanteraka ny fampianaran’ny Témoins de Jehovah hoe : any am-parany any, ity tany ity no ovain’Andriamanitra ho paradisa. Tena hoe manohitra tanteraka ny Baiboly izany.Fa izaao lanitra izao ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra.

Raha izany, dia izao : zavatra roa : ny olona mahafantatra fa ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, tsy lany andro izy ohatra hoe hanamboatra trano, dia hanamboatra lapa ohatran’ny eo Ambotsirohitra, sady hoe milliardaire. Ho levona io e, ho levon’ny afo io ry havana.Izay ny zavatra voalohany izay. Ary ny zavatra faharoa, dia hoe : ilay vola tokony anamboaranao an’iny lapa iny izany, dia anamboaranao tsara ny tranonao ; fa io vola io, ampiasao io ry havana ho amin’ny zavatra tsy mety levona, dia ny fitaomana ny olona hibebaka, ho fitoriana ny filazantsara, hanambarana hoe » : attention fa ny zavatra rehetra anie ka ho levona e ! Fa ho avy Jesoa, ary amin’izany fiverenany izany, no fahatanterahin’izany hoe fahalasana ny lanitra amin’ny firimorimoana mafy sy ny fahalevonan’ny zavatra rehetra amin’ny afo.

Andao isika ry havana hangataka amin’ny Tompo, mba tena hoe hahafantatra an’izay hoe onony sy antoniny amin’izay dépenses ataontsika, hahatsiaro mandrakariva hoe, noho izany, hahatongavana amin’izany, hoe : io trano be io, io tômôbile handanianao centaines de millions io, io anie ka ho levon’ny afo e, ho lanilany foana ny volanao. Fa ny vola économisé-nao, amin’ny fandaniana zavatra antoniny, ampiasao hitoriana ny filazantsaran’ny fibebahana, sy ny filazantsaran’ny fiverenan’i Kristy.