FIAINAN’NY OLONA MINO AN’ANDRIAMANITRY NY LANITRY NY LANITRA

Deo.10 :14 : «Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy »
Ilay Jehovah Andriamanitsika, ilay Andriamanitra telo izay iray : Azy ny lanitry ny lanitra, any no fonenany ary any Izy no miandry antsika. Aiza io lanitry ny lanitra io ? Ao ambonin’ny lanitra izay hitantsika, ao ambonin’ny « espace inter galactique» (espace andefasana vaisseaux spatiaux), ao ny lanitry ny lanitra. Ary tsy misy vaisseaux qpatiaux tonga any amin’ny lanitry ny lanitra fa ny finoana an’Andriamanitry ny lanitra, ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy ihany no ahatongavana any.
Ahoana ny fiainan’ny olona mino an’io Andriamanitry ny lanitry ny lanitra io ?
Deo.10 :12 : « Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra »
Fahamarinana 1 : Matahotra an’i Jehovah Andriamanitrao ianao ary mandeha amin’ny lalany
Fandinihan-tena : Te hahasambatra antsika Andriamanitra. Ny toe-po ilaina dia ny hatahotra azy, hanaiky handeha amin’ny lalany rehetra ary ny lalàny no hamaritra ny alehantsika rehetra. Mifona isika fa tsy mandeha araka ny lalàny ka tsy sambatra ary diso fanantenana.