FANTARO NY HERIN’ANDRIAMANITRA MANOVA

« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny
Fanahin'Andriamanitsika ». 1 Korintiana 6 :9-11

FANTARO NY HERIN’ANDRIAMANITRA MANOVA

Fantaro ny herin’Andriamanitra manova ary itokio. Inona ny zavatra ambaran’ny Apostoly Paoly eto momba antsika ? Zavatra 3 ry havana. Hoy izy hoe :
- Efa voasasa ianareo
- Efa nohamasinina ianareo
- Efa nohamarinina ianareo
Ireo izany, araka ity 1 Korintiana 6 ity no hoe tontalin’ny famonjena : nosasana, nohamasinina, nohamarinina.
- Nosasana tamin’ny fahotana rehefa nibebaka
- Nohamasinina, izany hoe, natokana ho an’Andriamanitra. Ilay voasasa iny izany, atokana ho an’Andriamanitra
- Nohamarinina. Iny nohamasinina iny hoy Paoly, nohamarinina. Ny atao hoe marina, ny ambara fa marina dia rehefa mandalo ny tribonalin’i Kristy, fa tsy ny tribonalin’ny olombelona
Nosasana – Nohamasinina – Nohamarinina.

Iza ny olona hoe nosasana ohatran’izany ? Nohamasinina ohatran’izany ? Iza no nohamarinina ohatran’izany ? Ireo korintiana ireto izay lazaina fa hoe : ny sasany taminareo taloha mpijangajanga, mpanompo sampy, mpaka vadin’olona, sodomita, mpangalatra, mpierina, mpimamo, mpanaratsy sy mpanao an-keriny, izay tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Raha mbola ety an-tany ianao ry havana, mety ho latsaka amin’ireo. Fa izao : hafa ny hoe sendra latsaka, dia mibebaka, dia miala ; ary hafa ilay hoe milona, mitoetra ao anatin’ireo toetra ireo na ireo situation ireo, ary en plus hoe manamari-tena. Hoy ny Tompo hoe : fantaro ny Heriko manova, ny Heriko manafaka ry havana ô.

Fantaro ny heriny manova. Dia mandinin-tena ianao hoe inona no tokony mbola hanasana anao ? Inona no tokony mbola hanafahana anao ? Inona ny toetra ratsy mbola mamatotra anao ary tsy hay tenenina ianao amin’izay ? Ianao no mahafantatra, dia hoe : « Tompo ô, tahaka ny nanafahanao ny sasany, tahaka ny nanafahan’ny herinao ny sasany tamin’ireto korintiana ireto, mba hafaho koa aho, mba sasao koa aho, hamasino ho anao indray aho, hatokany ho anao indray amin’izao hariva izao, ary omeo ahy ny hanompo tahaka ny lehilahy, tahaka ny vehivavy marina ».