AZONAO ANTOKA VE FA MIOMANA IANAO HO AMIN’IZANY FIVERENAN’I JESOA IZANY ? 

« Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro ». 2 Petera 3 :8

Ilay fampieritreretana ry havana dia izao : AZONAO ANTOKA VE FA MIOMANA IANAO HO AMIN’IZANY FIVERENAN’I JESOA IZANY ?
Teo amin’y Fiangonana dia nisy mpanadroadro ny kristiana,hoe : Izy tsy ho avy izany, aiza izy e ? Aiza Izy no mbola tsy tonga ihany ?
Dia manazava Petera hoe : ho avy Izy, ho avy Izy, fa azony atao ny mbola manemotra an’izany fotoana hihaviany izany. Ary tsarovy fa ny arivo taona eo anatrehan’Andriamanitra, juste anie ka toy ny indray andro izany e. Fa samihafa ny fomba fanisan’Andriamanitra ny fotoana.
Nisy mpitoriteny anankiray nanandrana nanisa hoe ahoana marina ilay and.8 io hoe : ny arivo taona toy ny indray andro. 24h izany hoe indray andro izany. Dia hoe, ilay 70 na 80 taona iainantsika ety, eo imason’ny Tompo, firy ? Dia hoy ilay mpitoriteny hoe : toy ny adiny 2.
Dia eo izany isika ry havana mandinin-tena : amintsika izany hoe adiny 2 izany tsy misy dikany. Fa isika izay miandry ny Tompo, andao hoe ho zaraintsika isaky ny adiny 2 ny fotoanantsika : afaka adiny 2, vonona ve isika ? Sa hoe mandalo fotsiny izany adiny 2 ?
Izay izay atambatr’isika amin’ilay hoe : aoka isika ry havana, hizatra hoe : tamin’ny 9 ny Tompo no nohomboana, tamin’ny 12 maizina ny tany rehetra, tamin’ny 3 Jesoa niala aina. Isan’andro isika, amin’ny 9, amin’ny 12, amin’ny 3, hahatsiaro an’i Jesoa ; tsy hira fotsiny hoe Izy Mpamonjy ; tsy katekisma fotsiny izany hoe rà latsaka teo amin’ny hazo fijaliana. Ary izao indray dia hoe zarao adiny 2 ny journée-nao dia ahatsiaro mandrakariva izany fiavian’i Jesoa izany ianao.

Andeha isika handinin-tena ny amin’ireo zavatra roa ireo ry havana.