AZONAO ANTOKA VE FA AMBANIN’NY FAHASOAVANA IANAO ? 

Romana 6:1-2,15 : « Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! ».

Ny Romana 6 no toko tokana ao amin’ny Baiboly, manazava, voatokana manontolo ho an’ny batisa. Dia misarika ny saintsika izay vita batisa ny Tompo ary miteny amintsika Izy hoe : iaino ny batisanao. Inona ny dikan’izany ? Misy ady hevitra ary ady hevitra mangotraka hoe kely be dia efa azo atao batisa sa tsy maintsy lehibe ? Rano kely ve ohatrany fametran-tanana ataon’ny Fiangonana zokiny ohatrantsika sa tsy maintsy aroboka anaty baptistaire sy ny karazany ? Dia hoe : tsy izany no problema hoy ny Soratra Masina ; ny problema dia hoe : iaino ny batisanao. Hoy ny Romana 6:3 : « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy». Miresaka amin’ny olona efa natao batisa ny Apostoly Paoly eto, catéchèse ( fampianarana ) post baptismal ( olona efa natao batisa ) no ampatsiahivina hoe izao ange izany antony nanaovana batisa anareo izany ka iaino ny batisanao.

Hoy ilay and. 15 : « Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! ». AZONAO ANTOKA VE FA AMBANIN’NY FAHASOAVANA IANAO ?
Ery amin’ny Romana 5:20, misy andinin-tsoratra Masina malaza be, hoe : « Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra ». Fampaherezana izany ry havana, fampiononana : « teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra ». Dia hoy ny mandray an-tendrony, hoy ny adala be : la raha teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra, andao ary hanota e, amin’izay miha be ilay fahasoavana. Sanatria izany ! Sanatria izany !hoy ny Apostoly Paoly, ary tenin’ny olona tsy ambany fahasoavana izany.
Fa inona no atao hoe ambanin’ny fahasoavana ry havana ?
Ny olona ambanin’ny fahasoavana dia hoe olona mizara ny fiainan’i Kristy, olona mi-partagé ny fiainan’i Kristy ; ary ny olona mizara ny fiainan’i Kristy, dia noho izany fahasoavana izany, dia hoe lasa mankatoa, lasa manaiky an’i Kristy. Baikona sy tenenina ary manaiky am-pifaliana.
Hoy ny rain’ny Fiangonana anankiray malaza be izay, tsy dia nazava loatra ny zavatra noteneniny : hoy Saint Augustin hoe : « Aime Dieu et fais ce qui te plait ».Inona moa no dikan’izany ? Rehefa hoe ampidinin’ny Fanahy Masina ato am-poko izany hoe fitiavan’Andriamanitra izany, dia ny hany zavatra ataoko dia hoe mitady izay hahafaly an’Andriamanitra. Dia izay ry havana ilay fiainan’ilay olona eo ambany fahasoavana : mizara ny fiainan’i Kristy izy, ary ny fahatantarana fa mizara ny fiainan’i Kristy izy dia tena hoe manaiky ho azy an’i Kristy izy, manaiky am-pifaliana izy ; mizara ny fiainan’i Kristy izy satria ny fitiavan’i Kristy dia nampidinin’ny Fanahy Masina tao am-pony ary izay fitiavana ao am-pony izay mahatonga azy hikasa hanatanteraka izay rehetra hoe ankasitrahan’Andriamanitra.
Fandinihan-tena :
- Isika ve efa mitady marina izay ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny fiainantsika ? - Isika ve ambany fahasoavana ka asehontsika izany amin’ny fankatoavana tsy misy fepetra ? Isika vita batisa ve ambany fahasoavana ry havana o, sa sanatria miteny hoe an an an, ka io, rehefa misy ota eo, dia mihoatra lavitra noho izay ny fahasoavana. – Eo ambany fahasoavana marina ve ianao, miombon’aina, mi-partagé, miombon’aina amin’i Jesoa ve ianao ka sady mora no fifaliana ho anao ny manaiky Azy ?