AZA MANAKIANA NY OLONA MAHAFOY HO AN’I JESOA

Marka 14 :4-5 : « Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao? Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo ».

AZA MANAKIANA NY OLONA MAHAFOY HO AN’I JESOA

Aza manakiana, aza tezitra amin’ny olona mahafoy ho an’i Jesoa. Andeha anio jerentsika ny Marka 6 :37. Raha jerena ny filazan’i Marka dia nampisakafo olona tsy omby dimy arivo Jesoa tamin’io andro io. Dia jereo ilay teny eto amin’ny Marka 6 :37, « Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny? ». Izany hoe mahita an’ireo olona dimy arivo eo izany ny mpianatra dia manombatombana eo izy, dia hoe : au minimum, mofo denaria roan-jato vao ampy an’ireo olona dimy arivo mahery ireo. Izany hoe ity denaria telon-jato ity, marina mihitsy ilay fanamarinana hoe, tena vola be. Vola be azo ampisakafoanana mahantra be dia be. Ilay denaria telon-jato izany anie dia hoe karama herintaona. Hiteny ianao hoa mba manolora koa karama herintaona ; tsy tena ohatran’izay ilay fipetrany. Fa handoa karama herintaona izany ianao, mety plutôt any amin’ny économie anao izany no alainao e, hoe haka équivalent-na karama herintaona ianao. Dia hoy ny mpandinika anankiray hoe possible ohatrany itony hoe lova ifandimbiasan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, sy ny taranany, izay no nahatonga an’io hoe menaka manitra misy narda sarobidy io, harena, fananana sarobidy. Izany no foin’ity vehivavy ity izany.

Fa izao ry havana, eo anatrehan’izany, iza no nitsikera ? iza no tezitra ? Tsy ny jentilisa no tezitra, fa ny mpianatra no tezitra. Ary izany foana, rehefa misy manome, dia ny mpivavaka ihany no tezitra. Aza tezitra rehefa misy manome e ! Aza mitsikera rehefa misy manome e ! Ary mampieritreritra ny tenin’ny mpitoriteny anankiray izay : amin’ireo nitsikera ireo, tena nisy olona manan-katao ; amin’ireo nitsikera ireo, nisy olona mba nanana izay azony natolotra any an-tranony any, fa izy sady tsy manolotra, fa ilaozany manome tsiny. Fahadalana, fandaniany izany hoe, raha lazaina amin’ny fomba hafa, hoe andeha aho haka congé sabbatique herintaona any amin’ny orinasa any dia hanokana herintaona ho an’i Jesosy. Fahadalana izany e ! Fandaniam-poana izany.

Izao no fampieritreretana ho antsika ry havana : inona ny lesona ? Inona ny fahendrena ? Zavatra roa, efa voalaza teo : aoka izay ny mitsikera ny manome, ary faharoa, ho anao izay manome : na toa inona na toa inona no omenao an’i Jesoa, tsy faty antoka ho anao izany.