TU AS ETE CREE POUR LE PLAISIR DE JESUS

Hebreo 1 :1-2 : «Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samy hafa sy fanao samy hafa ; dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariana izao tontolo izao »

Fahamarinana 1 : ANDRIAMANITRA DIA MITENY ARY IZANY TENINY IZANY DIA MAHATSARA ENDRIKA ANTSIZA
Genesisy 1 :27 : «Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy ; lahy sy vavy no namoronany azy » : isika olombelona, noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia noforoniny hanana ny endrik’Andriamanitra : izany no nanaovana antsika tany am-boalohany. Fa simban’ny fahotana izany endrika izany an’i Jesoa Kristy isika hamerenana ny endrik’Andriamanitra ao amintsika
Efesiana 2 :10 : «Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy » : Chef d’œuvre ianao, tsara endrika ianao ; izany ny programan’Andriamanitra ho anao. Nomeny ny teny ianao mba hiasa ny teny, hanefy anao amin’ny fanahafana an’i Jesoa. Ka ny olona rehefa tia ny tenin’Andiramanitra, rehefa mameno ny fony amin’ny tenin’Andriamanitra, dia hita amin’ny endriny izany

Fandinihan-tena :
-    Tia marina ny tenin’Andriamanitra ve isika ?
-    Avelantsika ve ny teny hiasa hanefy antsika hitombo amin’ny fanahafana an’i Jesoa ?
-    Mahatsiaro ve isika fa chef d’œuvre ?

Fahamarinana 2 : TANTERAKA AO AMIN’I JESOA KRISTY ZANAK’ANDRIAMANITRA NY FANAMBARAN’ANDRIAMANITRA NY TENANY
Andriamanitra dia efa niteny tamin’ny alalan’ny razana, tamin’ny alalan’ny mpaminany, tamin’ny alalan’ny fanao samihafa ; fa tsy ampy ireny, mbola tsy tanteraka ny fanambarana raha tsy tonga Jesoa Kristy zanany.
Inona no ambaran’i Jesoa Kristy ? Antso amin’ny fibebahana sy ny finoana ny filazantsara ; fanoroana fiombonan’aina amin’Andriamanitra Ray (communion de vie).
Ka izao, isaky ny manokatra ny Baiboly isika, isaky ny mamaky ny Baiboly isika dia tokony hahita fa misy zavatra tokony ovaina ao amintsika ; fa raha tsy mahita izany isika dia toy ny tsy mamaky satria tsy nandray ny hafatra ho antsika.

Fandinihan-tena :
Mangataha mba hampitombo antsika amin’ny fiaikena heloka sy amin’ny fiombonan’aina amin’Andrimanitra ny teny
Araka ny Hebreo 1 :2, i Jesoa dia voatendriny ho mpandova ny zavatra rehetra.

Nahoana no lazaina fa izany i Jesoa ? Ny Soratra Masina dia manambara fa ho an’i Jesoa no namoronan’Andriamanitr any zavatra rehetra : izay no maha-mpandova Azy. « C’est pour le plaisir de Jésus que Dieu a tout créé.»

Fandinihan-tena :
-    Tu as été créé pour le plaisir de Jésus : ny eritreritrao, ny fisainanao, ny fikasanao, ny fanompoanao ve manome plaisir an’i Jesoa ?
-    Manontany tena ve ianao hoe inona no tokony ataoko pour faire plaisir à Jésus ?
Raha tsy izay dia ny plaisir-nao no tadiavinao, ny plaisir-nao no mibaiko ny fiainanao.

Fahamarinana 3 : FANTATSIKA IHANY FA JESOA NO NAMORONA ANTSIKA FA EO AMIN’NY PRATIKA NO TSY HITA IZANY
Izay mikasika ny tenako, ny fahasalamako, ny volako…eo am-pelatanan’i Jesoa. Kanefa ohatrany tsy mino aho hoe Izy no nahary ahy.
Izy no nahary izao tontolo izao, Izy no nahary anao. Kanefa anaty tsy fahasalamana isika, mihazakazaka any amin’i Dr… fa tsy fantatsika Dr Jesoa…

Fandinihan-tena :
Andeha isika hisaina hoe Izy no nanao antsika, mitazona ny zavatra rehetra eo am-pelatanany Izy. Hanova ny finoantsika anie izany !