ANDRIAMANITRA MOMBA ANTSIKA

Romana 8:31-32 : "Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?"

ANDRIAMANITRA MOMBA ANTSIKA
Andriamanitra momba antsika. Amin’ny Segond izy dia hoe : « Dieu est pour nous ». Raha hoe misy ny « pour » ahy, Andriamanitra « pour » ahy, dia misy koa ny « contre » ahy. Izay ilay izy. Ny « contre » ahy amin’izao fotoana izao dia ny devoly izany. Ny devoly no tena « contre » ahy. Dia misy fotoana aho, izaho ilay tsy manana an’i Jesoa io, miaina eo ambany vahohon’i satana dia tonga saina : tonga aty am-piangonana ihany aho na dia eo ambany vahohon’i satana aza, dia mandray teny aho hoe : « an an an, tsy possible mihitsy hoe izaho ity hovonjen’i Jesoa, tsy possible ». « An an an, tena tsara izany famonjena izany fa i anona angamba mety ho voavonjy, fa raha ny amiko, tsy ho voavonjy ». Miapanga anao satana, « contre » anao satana ; fa sambatra ianao raha misy an’izany eritreritra izany ao an-tsainao, satria Andriamanitra miteny aminao hoe : satana « contre » anao, Izaho « pour » anao, Izaho miandany aminao. Ary satana mamboly an’izany eritreritra izany ao am-ponao ihany koa, hoe an an an, izaho tsy ho voavonjy intsony – Andriamanitra miteny hoe Izaho « pour » anao. Dia hoe Jesoa : ianao io ange e, fantatro ny momba anao e, ary satana mitady anao fa Izaho milaza aminao : hiandany aminao aho, « pour » anao Aho, ary te hanafaka anao Aho, te hamonjy anao Aho.
Inona no dikan’y hoe te hamonjy anao Aho ? Fantaro fa ny zanako dia natolotra ho faty teo amin’ny hazo fijaliana hisolo heloka anao ; fantaro fa ny rà nalatsaka teo amin’y hazo fijaliana no hamaha ny fatoran’i satana ; ary fantaro fa ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, no hanovana anao lehilahy sy vehivavy tsy marina, ho lehilahy sy vehivavy marina, ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty.
Ry havana, miandany aminao Jesoa, « pour » aminao Jesoa ; « pour » aminao Izy, fa « contre » aminao satana. Ny fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika amin’izao dia hoe : MOA VE EFA NANDRAY AN’ILAY FANOMEZANA IANAO, DIA ILAY FAMONJENA NOTANTERAHINA TAO AMIN’I JESOA KRISTY ? NANDRAY AN’ILAY FANOMEZANA VE IANAO KA EFA NAMAHA NY FATORANA REHETRA, ARY HITA EO AMIN’NY FIAINANAO VE IZANY ? Raha izany ny fiainanao, dia ho sambatra ianao satria fantatrao tokoa, hamarininao tokoa hoe manana Andriamanitra izay « pour » anao ianao, manana Andriamanitra izay miandany aminao ianao eo anatrehan’izay fiapangan’i satana.


Fandinihan-tena : Efa nandray marina ny famonjena ve isika ?