ANDRIAMANITRA DIA MARINA – JUSTE

« Marina Ianao, Jehovah o, Ary mahitsy ny fitsipikao. Efa voadidinao amin'ny fahamarinana sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao ». Salamo 119 :137-138

Fantatsika fa ny Salamo 119 manontolo dia mampianatra sy mankalaza ny tenin’Andriamanitra.
MARINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ilay marina, tsy hoe « vrai » eto, fa hoe marina = « juste ». Izay ilay izy.
Ary satria hoe teny vavolombelona ilay hoe marina sy juste ; ny teny vavolombelona izay manambara izay zavatra ataon’Andriamanitra, ary manambara ny teny vavolombelona, izay ilay fomban’Andriamanitra ; dia manambara fa hoe marina sy juste Andriamanitra. Marina sy juste Andriamanitra.
Zava-dehibe ry havana ny hananana an’izany teny vavolombelona izany, milaza ny ataon’Andriamanitra satria misy fotoana isika mandinika ny fiainantsika dia tena tsy azontsika mihitsy hoe mankaiza sy mankaiza, avy aiza sy mankaiza izany fiainantsika izany. Misy fotoana ohatran’izany. Kanefa ry havana, rehefa io teny vavolombelona io no manazava hoe izao no ataon’Andriamanitra, izao no fomban’Andriamanitra, manazava hoe izay zavatra mitranga eo amin’ny fiainana, rehefa manao zavatra Andriamanitra, dia hoe : marina, juste. Mety tsy takatro ny zavatra ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainako, fa hoe juste mandrakariva, marina mandrakariva Andriamanitra rehefa manao zavatra Izy ao amin’ny fiainako.
Ary tsindrina hoe tena fampaherezana lehibe ho an’ny fanahintsika izany ry havana ô. N’inon’inona mitranga ao amin’ny fiainantsika, ny mahafantatra hoe : marina mandrakariva, juste mandrakariva Andriamanitra ry havana.
Izy miteny, dia marina ny zavatra teneniny.
Izy manao zavatra, dia marina ny zavatra ataony.
Izaho Pasitera, ianareo ry havana, indraindray isika rehefa miteny, dia miteny zavatra diso. Indraindray isika miteniteny foana, indraindray isika manao zavatra dia manao zavatra diso ; fa Andriamanitra rehefa miteny ry havana, dia juste Izy. Rehefa manao zavatra Izy, dia juste.
Ary izany hoe fahamarinan’Andriamanitra izany dia hoe azoko amarinina azoko vérifié-na izao 12/02/20 izao. Azoko vérifié-na izany. Fa sady marina no mahatoky indrindra ny teniny, ary izany fahamarinana izany mbola azoko hoe hitokisana rapitso 13, 14,15 sy hatramin’ny farany ry havana.

Ny tenin’Andriamanitra dia manambara fa Andriamanitra dia marina, Andriamanitra dia juste. Indraindray koa isika mijery ny zavatra ao amin’ny fiainan’ny namantsika, dia mahita ilay fitahiana mirotsaka ao isika ; ao amintsika tsy misy fitahiana, fa fizahan-toetra, dia miteny isika hoe « injuste » Andriamanitra. Ny teny vavolombelona dia milaza hoe Andriamanitra dia juste foana amin’ny zavatra teneniny sy amin’ny zavatra ataony amintsika.

Andeha isika hisaina an’izay fahamarinana izay, hoe : ny tenin’Andriamanitra, ny teny vavolombelony dia manambara hoe : Andriamanitra dia marina, Andriamanitra dia juste amin’izay zavatra teneniny, amin’izay zavatra ataony eo amin’ny fiainantsika. Marina izany, ary azontsika hitokisana Izy rapitso sy afak’ampitso.