"Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho;
Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny".
Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny".
Jeremia 46:27-28