"Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra". Deoteronomia 30:9-10