Misikina
(Lio 12.35)
Iza ? Ny mpino no asaina MISIKINA.
Nahoana ? Mariky ny FIANDRASANY ny fihavian’i Jesoa.
Amin’ny fomba ahoana ? Malabary lava no niakanjoan’ny Jiosy, ka rehefa MIASA mafy izy na MIHAZAKAZAKA dia nakariny avoavo kokoa izany, dia nofatorany tamin’ny fehin-kibo.
Koa miasà mafy isanandro isanora ho an’ny Tompo.
Ary mihazakazaha hamoha varavarana raha vao mandondona Izy haka anao.
Dia tsy hanampoka anao ny fihaviany.
Amen.
Ny Mpitandrina, Solofo RAMAHOLIMIHASO