« Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana ». Marka 13 :33
Zavatra 3 no asaina ataontsika eo am-piandrasana izay hihavian’ny fotoana :
- Mitandrema
Tandremo isan’andro isan’andro ny anatra/ny hafatra.
Jereo izay tokony ampiana, jereo izay tokony esorina ao amin’ny fiainanao.
Jereo izay mbola tokony ho volena, jereo izay tsy tokony hisy ao amin’ny fanompoanao.
- Miambena
Mananà toe-tsaina, toe-panahy miambina.
Aza rendremana, aza matoritory ; fa aoka ianao ho tsy tafandry mandry.
Tsy tafandry mandry ny amin’ny ratsy tsy niaikenao, ka hiaiky mandrakariva.
- Ka mivavaha
Ao anatin’ny tontolo andro ianao, manaova vavaka : Fisaorana – Fibebahana – Fangatahana.
Dia hitombo amin’ny fiainam-bavaka ianao.
Ka hivavaka mandrakariva ka tsy hitsahatra.
Mitandrema – Miambenà – Ka mivavaha, dia tsy hanampoka anao ny fiverenan’ny Tompo.
Amena