Ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiàsany tsy hay tohaina sy mahery vaika. (Efe 1.19)
Hery lehibe sy mihoa-pampana
Izany no filazan’ny Soratra Masina ny herin’Andriamanitra :
Hery lehibe sy mihoa-pampana,
Ny fiasany tsy hay tohaina,
Ny fiasany mahery vaika.
Hery tsy manam-paharoa izany !
Fa izao no vaovao mahafaly :
« ANASOAVANY » anao izany hery izany.
Koa mianara mivavaka :
« Ray malala ô, asoavy amin’ny herinao aho,
Araka ny teninao,
Amin’ny anaran’i Jesoa, Amen ! »