2 Mpanjaka 19 :14 : « Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tànan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah ».

Taratasy avy any amin’i Sankeriba, miaiky an’Andriamanitra ary mandrahona an’i Hezekia.

Tonga ilay taratasy avy any amin’ilay iraka, dia inona ny reflexe an’i Hezekia? Namelatra azy teo anatrehan’Andriamanitra izy ary nivavaka : nentiny ilay problema, nankao an-tranon’Andriamanitra izy dia nivavaka teo anatrehan’Andriamanitra.

Ahoana no maha-hoe reflexe azy ? Raha eto amin’ny and. 14 dia voalaza hoe niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah dia nivavaka. Fa eo amin’ny and. 1 dia hoe : «Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah ». Ny vavaka avo lenta dia vavaka ataon’ny olona manana habitude tsara, manana reflexe mankao an-tranon’Andriamanitra mivavaka.
Dia rehefa jerena ny and.19 : «Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra. » : mbola mivavaka ihany Hezekia : ny vavaka avo lenta dia mikendry ny ahafantaran’ny hafa fa Andriamanitra irery ihany no Andriamanitra.

Apetraka amintsika ny fanontaniana :
- Manao ahoana ny fiainam-bavakao ? Manao ny vavaka ho reflexe sy ho habitude ve ianao ?
- Vonona ve ianao, ampandalovin’Andriamanitra eo anatrehan’ny Asyriana, mba ho fanehoana amin’ny manodidina anao fa ny Andriamanitrao dia tena Andriamanitra velona, tena Andriamanitra Mpamonjy ?