TA VIE PREPARE-T-ELLE À LA MORT?

2 Timoty 4:6-8: "Fa izaho dia efa hatolotra*sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. (*Grika: haidina ho fanatitra aidina) Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin'izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa".
Teny fanta-daza. TA VIE PRÉPARE-T-ELLE À LA MORT?
IO FIAINANAO IO VE MANOMANA HO AMIN'NY FAHAFATESANA?
Tsy misy zavatra hoe mampatahotra raha fahafatesana no resaka, ary tsy fantatry ny olona fa hoe hiomanana ny fahafatesana. TA VIE PRÉPARE-T-ELLE À LA MORT?
Rehefa préparé à la mort mantsy ny olona, ny zavatra hita eto amin'i Paoly eto dia ny "sérénité", olona tony: efa manakaiky ny andro ialako.
Ary faharoa, dia tena manana "confiance" ny Apostoly Paoly, manana "assurance" izy hoe miala eto izy, hihaona amin'i Jesoa.
Ary fahatelo, préparé izy satria hanana fifaliana izy handray "récompense". Fantatsika fony nianatra izany hoe andro fizàràna "récompense" izany. Izay no ohatra omen'ny fiainan'i Paoly eto: SA VIE L'A PRÉPARÉ À SA MORT. Ary ny anao?
Rahatrizay ho avy ve ny andro ahafatesanao, anaty "sérénité" ianao hiteny hoe: " tena efa vonona aho satria izaho koa mba miteny hoe niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny hazakazako aho, nitahiry ny finoako aho?". Afaka miteny an'izany ve ianao? Ary manana "certitude absolue" ve ianao fa raha vao mikipy ny masonao ety, dia ny tarehin'i Jesoa no ho hitanao?
Ary farany, ny fotoana hiomananao amin'ny fialanao ety an-tany, amin'ny fialanao aina, fantatrao ve fa hoe fotoanan'ny "récompense"?
Izay no firariana no antsika: enga anie ka ny fiainantsika tsirairay dia hoe hanomana antsika amin'ny fahafatesana, na ny fahafatesantsika .