RESAKA TENDROMBOHITRA AVO

Marka 9:2-3 : « Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany ».

Eksodosy 34:29 : « Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy ».

RESAKA TENDROMBOHITRA AVO Ny hafatra ho antsika ry havana dia izao : - OVAY NY CULTE PERSONNEL-NAO - OVAY NY CULTE FAMILIAL-NAO - OVAY IREO ARY HEVERO HO TOY NY MIAKATRA ANY AN-TENDROMBOHITRA AVO IANAO REHEFA HANAO CULTE PERSONNEL NA HANAO CULTE FAMILIAL Ovay ilay culte ka hoe miakatra any an-tendrombohitra ianao, ka olona tena manantena, manan antoka fa tafahoana marina tamin’Andriamanitra.

Ahoana ary no ahafantarako hoe tena novaiko ilay culte personnel-ko, ahoana no ahafantarako hoe amin’ny culte rehetra aho dia tafahoana amin’Andriamanitra ? Raha jerentsika ilay Eks. 34 :29, Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vabolombelona. Raha ovainao ny culte personnel-nao sy ny culte familial-nao, mirava avy eo ianao, mivimbina tenin’Andriamanitra. Inona ny dikan’izany hoe mivimbina tenin’Andriamanitra izany ?

1. Misy tenin’Andriamanitra tadidinao eo. Firifiry ny olona hoe vita ny culte dia manadino ny hafatra teo, na tsy nahazo hafatra mazava.

2. Iny tenin’Andriamanitra vimbininao iny, nataon’ny Tompo ho zarainao amin’ny manodidina anao, any am-pianarana, any am-piasana.

3. Iny tenin’Andriamanitra iny no hanefy, hitarika, hanitsy, hampahery izay ataon’ny tànanao anatin’ny journée anao. OVAY NY CULTE PERSONNEL-NAO, OVAY NY CULTE FAMILIAL-NAO. Ary rehefa mirava culte ohatran’izany ianao, ka mivimbina teny isan’andro isan’andro, dia hanao ohatran’i Mosesy sy Jesoa : ny hoditry ny tarehinao, hamirapiratra ; hamirapiratra ny tarehinao : hamirapiratra noho izay hoe fifanereserana sy fifankazarana amin’ny Tsitoha izay ry havana. Izay no zavatra voalohany ; ary faharoa, ohatran’ny an’i Mosesy eto, ohatran’ny an’i Jesoa eto, eo amin’ny and.3 hoe ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra. Ny fitafiana ao amin’ny Baiboly, milaza ny toetran’ny olona, milaza ny fiainany : hiova ny fiainanao : tsy ny tarehinao ihany no hamirapiratra, fa ny fiainanao mihitsy, ny toetranao mihitsy no hamirapiratra. OVAY NY CULTE PERSONNEL-NAO, OVAY NY CULTE FAMILIAL-NAO. ATAOVY TOY NY MIAKATRA ANY AN-TENDROMBOHITRA AVO IANAO.