RESAKA SEGOULAH AN’ANDRIAMANITRA

Eksodosy 19:5 : « Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ».

RAKITRA SOA HO AN’ANDRIAMANITRA
Ianao, rakitra soa ho an’Andriamanitra. Izay no vaovao mahafaly. SEGOULAH AN’ANDRIAMANITRA IANAO. Manakaiky an’io ny dikan-tenin’ny DIEM hoe « Vahoaka sarobidy manokana ». Vahoaka tsy hoe sarobidy, fa sarobidy manokana.
Fa tsy izay ihany ny dikan’ilay Segoulah io, fa misy an’ilay possessif hoe « manokana ho an’Andriamanitra » : olona sarobidy manokana ho an’Andriamanitra. Izany ny vaovao mahafaly : olona sarobidy manokana ho an’Andriamanitra ianao. Tsy hoe eo imason’Andriamanitra fotsiny, fa ilay « ho », mariky ny appartenance ; ny Segond sy Darby dia milaza hoe : « vous m’appartiendrez en propre ». Ilay dikan-teny frantsay milaza ilay appartenance ; ny dikan-teny malagasy milaza ilay maha sarobidy manokana. Izay no mahatsara ilay dikan-teny Hebreo hoe : « sarobidy manokana ho an’Andriamanitra ary an’Andriamanitra ianao.
Raha fantatrao fa Segoulah an’Andriamanitra ianao dia tezainao ny zanakao ho Segoulah. Ahoana no itaizana ny zanaka ho Segoulah ? Araka ilay lazain’ny and.5 eto hoe raha mitandrina ny fanekeko ianao hoy Segond. Tezao ry havana ny zanakao ho zanaka mitandrina ny tenin’Andriamanitra. Ary tsy hitandrina ny tenin’Andriamanitra izy raha ohatra ianao mampianatra azy, tsy mitandrina ny tenin’Andriamanitra.
Mahita zavatra dramatique mihitsy aho ao amin’ny diakona ao. Tsy fantatr’ilay diakona hoe tsy mitandrina ny tenin’Andriamanitra izy ; dia gaga be izy rehefa manao dinika pastoraly hoe ny zanany tsy mitandrina ny teny. Izy ary tsy mitandrina ny teny !
Ianao segoulah an’Andriamanitra, tezao ho segoulah, mitandrina ny tenin’Andriamanitra io zanakao io. Ao amin’ny ankohonana no anombohana an’izany.
Eo koa isika izany, izay manambady : fantaro fa io vadinao izay vavavavainao, ataonao ohatran’izao io : segoulah an’Andriamanitra io ka tandremo kely ; hevero ny fanajana azy bebe kokoa. Tahaka ny fanaka malemy, hoy Petera izay, tahaka ny segoulah an’Andriamanitra.
Ary farany, eto amin’izao tontolo izao no ahitana fahoriana, tsy fisiana, tsy fahampiana, fanenjehana. Segoulah an’Andriamanitra ianao e ! Sarobidy manokana eo imasony ary azy ianao : tsy foiny ianao, tsy hitazam-potsiny anao Izy, fa na inona na inona mahazo anao, efa fantany izay ataony hamonjeny anao.
Ny Fanahy Masina ry havana ampatsiaro antsika mandrakariva hoe : Segoulah an’Andriamanitra isika. Raha nambara tamin’ny vava izany tao amin’ny Testamenta taloha, tao amin’ny Testamenta vaovao, fanekena natao tamin’ny ràn’i Jesoa, fanekena novidian-drà io fanekena maha Segoulah anao io. Ny Fanahy Masina ampatsiahy anao an’izany mandrakariva.

Amena