Levitikosy 26 : 16
Rehefa avy niteny ny Tompo eo amin’ny and. 14 hoe : « Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankato ireo didy rehetra ireo », dia hoy Izy eo amin’ny and. 16 : « Izaho kosa dia hanao izao aminareo ».
Resaka ozona – ozona vokatry ny tsy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.

Fahamarinana 1 : Miteraka ozona mandrak’androany ny tsy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.
Ny ozona dia azo faritana amin’ny hoe : fizahan-toetra, na fitsapana, na fahoriana manana intensité manokana na manana fréquence manokana.
Aza diso hevitra tahaka ny olona sasany manao hoe efa nentin’i Jesoa teo amin’ny nanombohana Azy teo amin’ny hazo fijaliana ny ozona : efa nentiny izany ; fa ianao, rehefa minia tsy mankato dia tonga ozona.

Fahamarinana 2 : Io ozona io dia mihatra amin’ny taranaka faha-efatra
Eksodosy 20 :5 : « Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy ; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy » : izay mankahala an’Andriamanitra, mihatra hatramin’ny taranaka faha-efatra ny ozona.

Fa misy fotoana ianao miaiky heloka : ao anaty ozona ianao dia maka conseil any amin’i Pasitera, any amin’ny mpiandry, any amin’ny zoky ara-panahy dia mitantara ny karazan-javatra mitontona amin’ny fiainanao, dia hoy ny Levitikosy 26 :40 : « Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy » : mifona ianao izany ny amin’izay nataonao ; fa mahatsiaro ny dadanao ianao, mahatsiaro ny dadabenao ianao, mahatsiaro ny dadaben’ny dadabeanao ianao hoe tahak’izao na tahak’izao, dia hoy ny Salamo 79 : 8a :« Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay ».

Mahaiza mandinin-tena, mahaiza miaiky ny helokao fa aza miziriziry amin’ny fanamarinan-tena, dia diniho koa hoe any amin’ny razana any sao dia fantatrao fa nisy nanao ny tsy mety.