"Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy". 1 Tes. 5:3

RESAKA MIADANA
Ohatrany misy prénom, asa na lehilahy, na vehivavy hoe "Miadana". Tsy dia courant ilay izy fa misy.
RESAKA MIADANA
Dia izao ilay fampieritreretana ho antsika: andeha atao hoe ianao izany ilay Miadana, prénom anao ilay hoe Miadana. Miresaka anao ny olona dia miteny izy hoe "fa ahoana i Miadana iny?".
Valin-teny anankiray possible mihitsy dia hoe:"izy indray tena miadana; taloha izy tsy nilamina, fa izaho izy efa miadana. Satria nisy izany ny teny.
Faharoa indray, "ahoana i Miadana iny?" "Eny e, miadana izy, ary mandry fahizay , fa tsy fantany ny fiavian'ny Tompo, dia araka ilay teny eto: hanapoka azy ny fandringanana.
Izay izany mety fijerin'ny olona avy any ivelany. Ary ny fijerinao ianao Miadana, dia hoe:"mifona aho Tompo o, fa izaho ilay miadan-dratsy, satria maninona? Henoko loatra ny toriteny momba ny fiomanana ho amin'ny fiavianao kanefa jereo ity izaho, tsy manana hery hanapahana ny fatorana amin'ny passé-ko. Mifona aho Tompo o, vonjeo aho mba tena hiadana". Amena