Lioka 24, ho antsika mpandray ny fanasan’ny Tompo. Ary manantena fa amintsika ireto, raha hoe izay no ilazana azy, nisy mpingitrika ankatoka, dia tsy hingitrika ankatoky ny mpandray intsony izy manomboka izao.

Lioka 24 :30-31 : « Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany ».

Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy. Ireo mpianatra niaraka tamin’i Jesoa ireo, nahiratra ny masony. Anisan’ireo mpianatra niaraka amin’i Jesoa ireo, mpianatra anankiray antsoina hoe : Kleopasy, Lioka 24 :18.

RESAKA KLEOPASY

Izany izao hafatra izao : RESAKA KLEOPASY

Misy vanim-potoana 2 eo amin’ny fiainan’i Kleopasy raha izay no ilazana azy ; na misy toe-panahy anankiroa amin’i Kleopasy amin’ity resaka Kleopasy ity.

Toe-panahy anankiray iombonantsika amin’i Kleopasy ; fa ilay toe-panahy faharoa, iriana mba hananantsika rehetra ireto ry havana.

Inona ilay toe-panahin’i Kleopasy azo lazaina hoe ratsy, mampalahelo ? Kleopasy dia iray amin’ireo mpianatra roalahy an-dalana avy any Jerosalema ho any amin’ny tanàna kely anankiray antsoina hoe Emaosy. Dia, à un moment izany, hoy ny and.15-16 : « Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesoa ka niaraka taminy. Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy ». Jesoa Kristy maty, nitsangana tamin’ny maty, io manatona azy roalahy io, nefa tsy mahita Azy, tsy mahafantatra Azy Kleopasy sy ilay namany.

Maro amintsika ry havana ô no miara-dalana amin’i Jesoa, maro amintsika no mankafy an’ilay hira hoe : « Hay toe foana i Kristy », fa ohatran’i Kleopasy sy ny namany : raha mankeo akaikintsika eo Jesoa, tsy fantatsika hoe : « hay ve ity izany Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty izany e ». Izay no lazain’ny and. 16 hoe : « Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy » : tsy nahafantatra Azy. Ary ny zavatra mampieritreritra, Kleopasy, ohatran’ny maro amintsika e : manontany Jesoa hoe : « inona moa ny zavatra noresahinareo roalahy teo ? », dia hoy Kleopasy : « Ianao irery va no vahiny ao Jerosalema ao tsy mba mahalala izay zavatra nitranga mikasika an’i Jesoa avy any Nazareta ? ».  Eo amin’ny and.19 Izy, mpaminany mahery amin’ny teny, mpaminany mahery amin’ny asa. Iza amintsika no tsy afaka hanamarina raha mitoriteny isika, hoe : Jesoa dia mpaminany mahery amin’ny teny, mpaminany mahery amin’ny asa ? Nefa io Jesoa resahin’i Kleopasy io, miara-dalana Aminy, nefa tsy mahafantatra Azy. Tsy mahafantatra Azy izy ry havana.

Ary hain’i Kleopasy tsianjery ny momba an’i Jesoa ry havana, satria eo amin’ny and.20, dia milaza Kleopasy hoe : « hay, ny amin’ny tantaran’io Jesoa io, dia hoe natolotry ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka hohelohana ho faty, sy  homboana tamin'ny hazo fijaliana. Dia nitsangana Izy tamin’ny andro fahatelo ». Firy amintsika ry havana no Kleopasy ? Isika rehetra no Kleopasy izay manao tsianjery ny fiainan’i Jesoa tety an-tany ry havana ô, nefa miara-dalana amintsika Izy ankehitriny, fa tsy mahafantatra Azy isika.

Misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny fampieritreretany ny amin’izany. SAO DIA TOA AN’I KLEOPASY ISIKA RY HAVANA ?

Fa inona ilay vanim-potoana faharoa ? Inona ilay toe-panahy faharoa ? Hoy ny and. 30 : « Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy ». Izany hoe nampandray ny fanasan’ny Tompo izany i Jesoa. Dia eo amin’ilay fandraisana ny fanasan’ny Tompo, hoy ny and. 31 : « Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy ». Amin’ny teny frantsay : « Ils le reconnurent ».

Rehefa mandeha eny an’anona eny isika, dia hoe : « oay, iny i anona », mi-reconnaitre an’i anona isika. Mi-reconnaitre, mi-reconnaitre olona fantatra. Izay ilay izy.

Inona ny lesona amin’izao hoe vanim-potoana faharoa eo amin’ny fiainan’i Kleopasy, eo amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ; na toe-panahy faharoa tian’ny Tompo ananantsika e ? Hoe : raiso sérieux ry havana ô, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo manomboka izao, ho sehatra, ho fotoana ahalalanao manokana an’i Jesoa, ho fotoana hi-reconnaissiavanao an’i Jesoa ho ilay Tompo sy Mpamonjinao, maty nisolo heloka anao, ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana anao. Miankina aminao izany e, miankina aminao ny haharitra, n’inon’inona fahalavan’ny fanompoam-pivavahana, ny hoe hiomana amin’ny ankatoka satria hoe tianao ilay fotoanan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo hoe ho fotoana ahiratan’ny masonao ka isehoan’i Jesoa aminao ary hi-reconnaissiavanao Azy hoe : « oay, hitako tamin’izaho nandray teo fa tena hoe velona, tena velona ary tena velona mandrakizay Jesoa.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena