Isaia 56 :3b DIEM : "Ary aoka ny eonoka tsy hanao anakampo hoe: "Indro efa hazo maina aho."

"Indro efa hazo maina aho."
Alaim-panahy ny eonoka hanao hoe : « hazo maina aho » satria tsy niteraka izy.

Fa sao dia ianao ilay hazo maina, satria mba niteraka ihany, fa tsy nitaiza ny zanakao ho zanak’Andriamanitra ?

Sao dia ianao ilay hazo maina satria tsy nanabe zanaka, mba ho zanaka voasoratra eo amin’ny takela-bato any amin’ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra ny anaran’ireo zanakao ireo ?

Sao dia ianao ilay hazo maina, ka rehefa hazo maina ianao, tsy hamoha voa tsara ety an-tany ?

Amena