RESAKA FO/ FO VONONA HIAINO AN’ANDRIAMANITRA

1 Samoela 3 :10b : « Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao ».

MANANA FO VONONA HIAINO AN’ANDRIAMANITRA VE IANAO ?

Andriamanitra tsy miteny amin’ny olona iray raha tsy azony antoka fa vonona hiaino io olona io. Manana fo vonona hiaino an’Andriamanitra ve ianao ? Fa raha tsy manana fo vonona hiaino an’Andriamanitra ianao, tsy hiteny aminao Andriamanitra.

Izay ny zavatra nitranga tamin’ny andron’i Ely ; raha jerena eo amin’ny and.1 : «Ary tamin’ izany andro izany efa nahàlana ny tenin’ i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra », nahàlana ny tenin’i Jehovah satria Ely mpisoronabe tsy mpankato ny tenin’Andriamanitra, ary tsy nitaiza ny zanany ho amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra, dia nitondra ny zanany tamin’ny fahafatesana, niara-maty. Andriamanitra tsy miteny raha tsy azony antoka fa hiaino ilay olona hitenenany.

Ahoana no ahafantarana fa vonona hiaino ny olona ? Io tenin’i Samoela io no ahafantarana izany. Hoy i Samoela hoe : « Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao ». Efa niteny i Samoela hoe : «Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao » izay vao niteny Andriamanitra.

Ahoana no fihainoan’ny olona izay vonona hiaino marina ? Mihaino tahaka ny mpanompo izy. Ilay ilay teny hebreo hoe « Ebed », « serviteur », « esclave », fantatsika amin’ny teny grika hoe « doulos ». Vonona hiaino tahaka ny andevo ve ianao ? Ianao miteny hoe « mitenena fa mihaino ny mpanomponao » ; Tomponao ve io miteny io ka hoe izay teneniny eo dia tsy manana fahalalahana ianao hanohitra azy na angataka aminy?

Ny zava-misy amin’ny fiainantsika dia hoe feno loatra ny fandaharam-potoanantsika ka tsy manam-potoana hihainoana (hihainoana fotsiny) ny tenin’Andriamanitra isan’andro ; ary raha manana fotoana hihainoana aza isika, ilay saina indray mihitsy no tena hoe sahirana, satria hoe boda ny lohantsika amin’ny problemantsika ka tsy mihaino isika, tsy maheno isika, dia tsy miteny Andriamanitra. Tsy manana fo vonona hiaino Azy isika.

Ifony io tsy fahavononanao hihaino tahaka ny mpanompo io, tahaka ny andevo io. Dia Andriamanitra hamindra fo aminao ka hanome anao fo mahay mihaino. Ary araka ny Deoteronomia 28 :1 (DIEM), hanome anao fo mahatonga anao hoe imasoanao ny fanatanterahana ny teny.