RESAKA FANOMPOAM-PANAHY

Nomery 8 :11a : « Ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely ».
Romana 12 :1 : « Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany ».

RESAKA FANOMPOAM-PANAHY

Miomana isika ho amin’ny fanavaozana mpiandraikitra, mpanompo isan-tsokajiny, dia izao no hafatra ho antsika : ianao izay miomana hanompo an’Andriamanitra, aza mihazakazaka manao ny asa fanompoana aloa, fa tanteraho aloa ny fanompoam-panahy.
Aza mihazakazaka aloa hoe hanao asa-na diakona, asa-na mpitarika sampana, mpandinim-bola atsy sy aroa, tanteraho aloa ny fanompoam-panahy.

Inona no zavatra hita ato amin’ny Nomery ry havana ? Mikasika ny fombam-piangonana, ametrahana levita eo amin’ny toerany. Ny levita dia karazana diakona manampy ny mpisorona amin’ny logistique ao am-piangonana. Dia ao amin’ilay fomba na litorjia, hoy ny and. 11 dia hoe : « hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ny Zanak’Isiraely». Ilay hoe ahevaheva dia hoe ahodinkodina. Dia isika ankehitriny mpanompon’Andriamanitra, dia hoy ny Tompo amin’ny Romana 12 :1 hoe « atolory ny tenanao ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany ». Ny fomba fanaovana fanatitra tao amin’ny Testamenta Taloha dia alaina ilay biby atao fanatitra, vonoina, dia rasarasaina dia entina eo amin’ny alitara.

Ianao ve vonona amin’izany hoe fanompoam-panahy izany ? Inona izany hoe fanompoam-panahy izany ? Hanolotra ny tenanao, hanolotra ny mombanao, hanolotra ny fonao, hanolotra ny sainao ho vonoin’Andriamanitra, ho rasarasainy, dia avy eo ho volavolainy araka ny fony.

Raha tsy avelanao vonoin’Andriamanitra sy rasarasainy io sainao io, tsy hiray safidy amin’Andriamanitra izany ianao. Raha io fonao io tsy avelany ho vonoiny, rasarasainy, atao fanatitra ho azy, dia avy eo dia volavolainy ho azy, tsy hiara hitempo fitiavana, tsy hiara hitempo amin’Andriamanitra izany fonao izany.
Ohatran’izao ny fiainam-piangonana satria mihazakazaka amin’ny asa fanompoana ny mpanompon’Andriamanitra isan-tsokajiny, fa tena adinony, na tsy fantany , na dinganiny tsotra izao ilay fanompoam-panahy.

Ry havana, mampandinin-tena antsika Izy, miandry antsika ireto Izy hanavao, hanolo tena ho amin’ny fifidianana fanavaozana ny tompon’andraikitra manaraka eo, fa izao no teneniny : TANTERAHO ALOA NY FANOMPOAM-PANAHY DIA TENA HO VONONA IANAO HANATANTERAKA NY ASA FANOMPOANA IZAY HIFIDIANANY ANAO.

Amena.