RESAKA FAHEFANA – AUTORITE

Marka 1:22 : « Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna ».

RESAKA FAHEFANA – AUTORITÉ
Ry havana, rehefa mijery ny fiainanao ny olona, ka hoe talanjona : inona no mahatalanjona ny olona rehefa mijery ny fiainanao ?

Eto dia hoe misy fiainana olona izay mahatalanjona satria olona manana fahefana. Izay ilay resaka fahefana.
Eto izany, sokajin’olona anankiroa no ampitahaina : ny anankiray dia ny mpamora-dalàna izay manana andraikitra fampianarana ao amin’ny synagoga ; dia etsy an-daniny , Jesoa Kristy. Dia tonga dia ampitahain’ny olona ny karazana fampianarana ; hoe ny an’i Jesoa misy fahefana, ny an’ny mpanora-dalàna sous-entendu hoe tsy misy fahefana. Fa maninona ny fampianaran’ny mpanora-dalàna no tsy misy fahefana ? Satria ny zavatra nampianariny dia ny làlàn’i Mosesy sy ny fitandremana ny làlàn’i Mosesy : tsy manome famonjena izany , tsy hananana fahefana izany. Ary tsy vitan’ny hoe mampianatra ny làlàn’i Mosesy izy, fa hoe mampianatra ilay fampianarana voatolotra, ilay hoe « tradition ». Eo izany ilay làlàn’i Mosesy, fa hoe, ilay tradition na ireny lovan-tsofina rehetra ireny , anampiana anazavana an’iny : sady explication no làlàna vaovao, dia izay no heveriny fa hoe mahavonjy ; kanjo tsy mahavonjy. Izay ireto mpanora-dalàna ireto.
Dia tonga i Jesoa mampianatra amin’ny andro voalohany ato amin’ny synagoga, dia ny zavatra ampianarin’i Jesoa, matoa manana fahefana, dia tena hoe zavatra ilain’ny olona, zavatra mahakasika ny fiainan’ny olona.

Inona no zavatra voalohany ? Manana fahefana Izy handroaka fanahy maloto (and.23). Noteneniny ilay fanahy maloto dia niala. Izay ilay fahefany, fahefan’ny tenin’i Jesoa.
Ary raha mijery isika ny and.30-31, « Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo. Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy ». Any amin’ny Lioka, Lioka izay dokotera, mitantara i Lioka hoe notenenin’i Jesoa ilay tazo ; ohatrany hoe noteneniny mandroaka fanahy. Izay ilay fahefan’i Jesoa.
Ary ny olona nahatsapa an’izany hoe mpanora-dalàna, mpampianatra fombam-piangonana, mpampianatra làlàna, tsy mamaly izay hetahetan’ny olona ary tsy mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra.

Inona no hafatra ho antsika raha te hanamarina an’izany isika indray andro any hoe : manana fahefana i Kristy ? Tsy ny làlàn’i Mosesy, tsy ny fombam-pivavahana no mamonjy, fa :
- Ny fanarahana an’i Jesoa : fanoloran-tena ho Azy
- Ny fankatoavana Azy
- Ny fatahorana Azy
- Ny fakana tahaka Azy amin’ny toe-panahiny
Ary rehefa ireo no ataonao tanjona sy fahazarana tsara, dia automatique ianao hanana an’izany fahefany izany, ary dia mety hahatalanjona ny olona ianao. Amena