RESAKA DOUBLE NATURE

Galatiana 5 : 16. "Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo".

Iza no hiresahina eto? Olona manana double nature.

Fantatrao ve fa manana double nature ianao?
Ny olona manana double nature dia ao aminy ny tsara indrindra, fa ao aminy koa ny ratsy indrindra.
Manana ny tsara indrindra satria efa nandray ny Tompo, efa nateraka indray, misy toetra ara-panahy.
Fa ao ihany koa ilay toetra ara-nofo.

Izay réalité-na double nature izay no adinontsika rehefa mandinin-tena isika, rehefa mandinika kristiana eo anoloantsika isika.

Resaka double nature.
Maninona no maha-zava-dehibe ny fahafantarana hoe manana double nature ianao?
Satria hoe safidinao ny handeha araka ilay toetranao ratsy indrindra, na ny handeha araka ilay toetranao tsara indrindra.
Safidinao ary pouvoir-nao ny hoe ho andevo na ho champion (mpandresy).
Samy te ho champion an'Andriamanitra isika rehetra.
Izany hoe safidinao, pouvoir-nao ny hoe ho andevon'ny filan'ny nofo;hoe safidinao, pouvoir-nao ny hoe ho andevon'ny filan'ny maso;hoe safidinao, pouvoir-nao ny hoe ho andevon'ny rehaka momba an'izao fiainana izao; ary mandeha ho azy iny safidy iny. Fa rehefa leo an'izay ianao dia mieritreritra hoe "fa maninona moa izaho no andevo?". Mijery ny hafa ianao dia manontany hoe " maninona i ... no champion, maninona i ... no mpandresy?". Dia azonao amin'izay hoe satria izy mandeha araka ny Fanahy.

Tsy possible aminao ny handeha araka ny Fanahy raha tsy miaiky ianao, manaiky ianao hoe "izaho mihitsy ilay manana double nature", "le meilleur et le pire en moi; la chair et l'esprit en moi". Dia haniry ianao handeha araka ny Fanahy dia hitalaho amin'Andriamanitra ianao hoe te handeha araka ny Fanahy. Dia hiteny aminao ny Tompo hoe tapaho ny hevitra hoe hanaiky ianao hotarihin'ny Fanahy Masina; dia ho champion ianao, ho champion an'Andriamanitra ianao ho an'ny firenena, ho an'ny Fiangonana, ho champion ianao eo imason'ny vady aman-janakao.