Profil-ny mpanompon’Andriamanitra

Asan’ny Apostoly 20 :19 : « dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy »

Resaka profil-ny mpanompon’Andriamanitra : SAO DIA TOKONY HANOVA PROFIL ISIKA ?
Mampatsiahy ny toetran’ny fitondran-tenany i Paoly eto. Ny fijoroana vavolombelona dia tsy amin’ny vava fa amin’ny fitondran-tena, amin’ny zavatra concret amin’ny fanompoana.
- Ny hoe manompo dia hoe manompo tahaka ny andevo manompo ny tompony, izany hoe tsy manan-tsafidy na ady varotra.
- Ny hoe manompo dia hoe manompo ny Tompo fa tsy manompo ankolafin’olona.

1. « Manompo amin’ny fanetren-tena rehetra » :
Ny asan’Andriamanitra rehefa ahitana fahombiazana dia ahazoana voninahitra. Fa ny olona manompo amin’ny fanetren-tena dia olona tsy mila voninahitra, tsy miandry ankalazaina satria hoe nety ny zavatra nataony ; ny olona manompo amin’ny fanetren-tena dia tsy miteny hoe izaho mihitsy no nanao an’io, fa na izy miteny na hita amin’ny fihetsiny hoe nety ilay projet satria nety ilay travail d’équipe ary izaho tao anatin’ilay équipe ; olona tsy mandray ilay voninahitra ho an’ny tenany ary tsy sarotiny sy maratra rehefa hoe tsy omena ny voninahitra sahaza azy. Travail d équipe ny asam-piangonana :tsy i pasitera, tsy ny biraom-piangonana, tsy ny président, fa travail d’équipe.
Fa eo koa ny olona izay manao "fausse modestie", na "fausse humilité", ireo olona manao hoe « inona moa izay izaho » : ireny no tena dangereux indrindra.

2. « Manompo amin’ny ranomaso » :
Vitsy ny mpanompon’ Andriamanitra manompo amin’ny ranomaso, ranomason’alahelo, mahita ny toetra, mahita ny toe-panahy, mahita ny rébellion, mahita ny ati-lavaka mbola misy ny olona izay tianao ho taomina. Toetra tena faran’izay rare izany hoe ranomaso malahelo an’ilay mpanota tsy mety mibebaka.

3. « fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy :
Eo amin’ny toerana misy anao, tsy maintsy misy complots foana hanoherana anao ; ary tsy afaka ny hijaly ianao ; fa ny olona mahatsiaro tena manompo ny Tompo dia miaritra manoloana ny complot fa tsy mahatsiaro kivy na ketraka

Marina koa ireo toetra ireo eo anivon’ny fitantanana ny ankohonana : entrainement tsara ny fanompoana ankohonana, tohizana amin’ny fanompoana Fiangonana.

(Cellule de prière 08 Janvier 2018)