MPIVAVAKA TSY MANDA AN’ANDRIAMANITRA

Hebreo 1 :2 : «dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao »
Ny fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika eto amin’ny Hebreo 1 :2 dia hoe : SAO DIA MPIVAVAKA MANDA AN’ANDRIAMANITRA IANAO ?

Fahamarinana 1 : ANDRIAMANITRA DIA ANDRIAMANITRA MITENY

Andriamanitra dia manana fahazarana miteny ary fantatry ny jiosy tsara izany ; hitany ao amin’ny Isaia 6 fa hoe niteny tamin’i Isaia Izy tamin’ny alalan’ny vision ; niteny tamin’i Jakoba Izy, ao amin’ny Genesisy 28, amin’ny alalan’ny nofy ; niteny personnellement tamin’i Abrahama sy Mosesy Izy, Genesisy 18. Ho an’ny jiosy, tena réalité ary évidence izany hoe Andriamanitra miteny izany. EVIDENT AMINAO VE FA HOE ANDRIAMANITRA DIA ANDRIAMANITRA MITENY ?

Rehefa mamaky sy mihaino ny Soratra Masina isika dia manana ny fahalalana feno ahazoantsika famonjena : famonjena avy amin’ny fahotantsika, ary faharoa, hananantsika fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra. « Lorsque nous connaissons la parole, lorsque nous connaissons Jésus, nous avons tout ce dont nous avons besoin pour être sauvé du pêché et pour avoir une communion parfaite avec Dieu ». Ary ny ahafantarana hoe tsy mandà Azy ianao dia hoe isan’andro ianao rehefa mamaky teny dia tondroiny eo amin’ny fiainanao hoe ity ny otanao mbola tiako anafahana anao ary ity ny teny hitomboanao amin’ny fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra . Izany ve ianao ?

Fa raha tsy mahazo teny ianao hanondroan’Andriamanitra anao izay mbola tsy ankasitrahany eo amin’ny fiainanao, hitomboanao amin’ny fiombonana Aminy, dia toa ny manaiky ilay teny ianao fa mandà Azy amin’ilay pratika eo amin’ny fiainanao.

Sao dia mpino, sao dia mpivavaka mandà an’Andriamanitra ianao ao amin’ ny pratikan’ny fiainana?

Fahamarinana 2 : JESOA KRISTY DIA LAZAINA HOE : IZY NO NAHARIAN’ANDRIAMANITRA IZAO TONTOLO IZAO
Izy izany no niara-niasa tamin’Andriamanitra raha nahary izao tontolo izao Andriamanitra:« il a été l’agent de Dieu lors de la création du monde». Tsy misy tsy mahafantatra an’izany isika : fantatsika amin’ny théorie izany ; fa ny problema dia izao : any amin’ilay pratikan’ilay hoe Jesoa nahary antsika, mi-contrôle ny fiainantsika, raha vao mivoaka ny sehatry ny ara-panahy dia tsy mahatoky Azy intsony isika, na mandà Azy isika ; tsy mampiditra Azy an-tsehatra isika. Kanefa raha lazaina hoe « c’est le créateur de l’Univers », tsy misy domaine izany ka hoe mi-échappé Azy.

Fantatsika izany dans la théorie, fa dans la pratique, tsy mangataka toro-hevitra Aminy isika, fa aleontsika manontany Expert. Ny Isaia 9 dia milaza hoe ny anarany dia atao hoe Mpanolo-tsaina, fa aleontsika mankany amin’ny dokotera hafa toy izay mankany amin’i Dr Jésus, aleontsika mankany amin’ny juriste toy izay mankany amin’i maître Jésus, aleontsika mankany amin’ny conseiller financier-ny banque toy izay mankany amin’i Jesoa Mpanolo-tsaina rehefa manana problema-na vola isika.

Tian’Andriamanitra ovaina izany : henoy Izy ary manomboka anio, na inona na inona problema, tsy ny problema mikasika ny fanahinao ihany, fa amin’ny problema mahakasika ny olona manontolo (financier, juridique, fahasalamana, fiaraha-monina…), ny ahafantarana fa tsy mandà Azy ianao dia mihazakazaka any Aminy, mivavaka mitondra izany problema izany eo Aminy.

Enga anie ka tsy ho mpino mihaino fotsiny isika ka mandà an’i Jesoa