BANJINO ANDRIAMANITRA

« Manandra-peo ny riaka, Jehovah o, eny, manandra-peo ny riaka;
mampirohondrohona ny feony ny riaka. Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe,
ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo ». Salamo 93 :3-4

Mihoatra noho ny riaka, mihoatra noho ny rano sady be no mahery ny voninahitr’i Jehovah.

Hiresaka ny voninahitr’i Jehovah any amin’ny avo isika ry havana ô, ny voninahitr’i Jehovah any amin’ny avo.

Nahafinaritra, nampahery ny dikan-teny Segond. Hoy ny dikan-teny protestanta hoe : « ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo ». Ny dikan-teny Segond dia manao hoe : « l’Eternel est magnifique dans les lieux élevés ».

Rehefa mijery ny fiainantsika isika dia mahita ny riaka, mahita ranobe. Ny riaka, na ranomasina ao amin’ny Baiboly, ny ranobe, dia manambara fahavalo, manambara mpanenjika, manambara zavatra mampihorohoro sy mampatahotra. Dia izay no ataon’ny mpanao Salamo eto, hoe : manandra-peo ny riaka Jehovah ô, eny, manandra-peo ny riaka; mampirohondrohona ny feony izy ; eo koa ny rano, ranobe mahery.

Ry havana ô, misy fotoana eo amin’ny fiainantsika, misafoaka ny riaka, mirohondrohona ny riaka, mitabataba ny ranobe. Anatin’izay, raha tsy te ho kivy sy ketraka sy hihorohoro ianao, mibanjina an’Andriamanitra any amin’ny toerana avo. Banjino Izy. Ambonin’izany riaka sy ranobe izany Izy ; any amin’ny toerana avo Izy.

Ary izao no zavatra hitranga rehefa banjininao Andriamanitra, hoe : « l’Eternel est magnifique » : rehefa manokatra Baiboly ianao ka te hifanatri-tava Aminy, fa tsy hoe hamaky Baiboly fotsiny, hoe hamaky Mana, hamaky Mofon’aina fa, raha tena hoe te hifanatri-tava Aminy isan’andro ianao, « l’Eternel est magnifique » : ho magnifique koa ny tarehinao, ho magnifique koa ianao ry havana ô. Dia ho hadinoinao ilay ranobe, ilay riaka mirohondrohona sy mitabataba sy misafoaka. Fa arakarak’iny tabataba iny no hibanjinanao ilay Andriamanitra magnifique dia hanana tarehy magnifique ianao. Amena.