"Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny". Jeremia 9:22
Tohiny
"Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy". 1 Timoty 6:11
Tohiny
"Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy". Matio 21:32
Tohiny
"Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany". Isaia 45:11
Tohiny



