"Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo". Hebreo 12 : 14
Tohiny
"Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka". Ezekiela 20 : 22
Tohiny
"Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto* amin'ny fisaorana". [*Na: (mitombo amin'izany)] Kolosiana 2 : 6 - 7
Tohiny
"Dia hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo". Matio 4 : 19
Tohiny